Ulrich Zwingli: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
[[Sary:Ulrich Zwingli.jpg|vignette|268x268px|I Ulrich Zwingli]]
I '''Ulrich Zwingli''' na '''Huldrych Zwingli''' dia [[Teolojia|teolojiana]] soisa sady mpitarika ny [[Reformasiona]] protestanta tany [[Soisa]], teraka tao Wildhaus tamin'ny 1 Janoary 1484 ary maty tamin'ny 11 Oktobra 1531 tao Kappel am Albis. Niasa amin'ny maha [[pretra]] katollika azy izy tao amin'ny paroasy maro, ka isan'izany i Glaeis sy i Einsiedeln izay niadiany tamin'ny fivavahana amin'i Maria ([[mariolatria]]), talohan'ny hieritreretany fa ilaina ny hanaovana fanitsiana (na fanavaozana na reformasiona) faobe ny Fiangonana. Tamin'ny taona 1523 izy dia nametraka ny fanavaozam-pivavahana tao amin'ny tanànan'i Zurich.
 
Ny mampiavaka ny [[teolojia]]<nowiki/>n'i Zwingli dia ny fitsikerany ny fototra anorenana ny [[sakramenta]]: aminy ny [[batisa]] dia famantarana ary ny [[eokaristia]] dia fahatsiarovana, fa tsy misy fanatrehan'i [[Kristy]]. Rehefa tsy nahomby intelo ny konferansa nataony handresen-dahatra ny mpitondra katolika mba hanitsy ny Fiangonana katolika iray manontolo dia nesorina daholo ny sary masina rehetra tao amin'ny fiangonan'i Zurich araka ny fanapahan'ny mpanapaka ny tanàna tao Zurich. Nanao izay hanjakan'ny reformasiona eran'i Soisa i Zwingli sy ny mpomba azy, eny fa hatramin'ny fampiasana ny tafika miaramila aza nanoloana ny fanoheran'ireo tanàna tsy niala amin'ny maha katolika azy sakaizan'i [[Aotrisy]], ka izany no nahafaty azy rehefa resy an'ady tao Kappel ny tafika nisy azy.
[[Sary:Geburtshaus von Huldrych Zwingli.jpg|vignette|Ny trano nahaterahan'i Zwingli ao Wildhaus.]]
 
I Zwingli no niandohan'ny fiforonan'ireo Fiangonana nohavaozina ao Soisa alemanika. Izy no filamatra ara-tantara eo amin'ny protestantisma liberaly.
 
== Fotoana nandrantoanZotram-piainan'i Zwingli fianarana ==
 
=== Fotoana nandrantoan'i Zwingli fianarana ===
Nandritra ny fianarany i Zwingli dia nandray fatratra ny toe-tsaina nanjaka tamin'ny andron'ny Fifohazana ara-tsaina (Renaissance), dia ilay atao hoe [[homanisma]]. Natao ordinasiona ho pretra izy tamin'ny taona 1505 ka notendrena hiasa ao amin'ny tananànan'i Glaris. Indroa i Zwingli no nampivavaka ny miaramila tany an'ady tao amin'ny tafik'i Glaris, izay nahitana mpikaraman'ady tamin'ny tafika eoropeana. Izany no nahatonga an'i Zwingli hiampanga ampahibemaso ny asan'ny mpikaraman'ady, ka tsy tian'ny lohandohany teo amin'ny tanàna izany. Tamin'ny taona 1516 dia nanaiky ny hiasa any Einsiedeln any atsimon'i Zurich izy.
 
Nandritra ny fotoam-piasany tao Einsiedeln dia nanomboka nahatsapa fangirifiriana vokatry ny fanaon'ny Fiangonana katolika i Zwingli. Tamin'ny taona 1516 dia namaky ny dikan-tenin'ny [[Testamenta Vaovao]] amin'ny [[teny latina]] nataon'i Erasmus von Rotterdam (frantsay: ''Erasme'') izy dia nadikany tao amin'ny boky kely fanoratany izany ka nataony tsianjery. Nanambara i Zwingli raha nitory teny fa ny fampianarana sy ny fanaon'ny Eglizy dia miala lavitra ny kristianisma voalohany izay niankina tamin'ny [[Soratra Masina]], notohanany tamin'ny lahatsoratra voadikany sy tamin'ny andalana nalainy tao amin'ny [[Baiboly]] izany. Isan'ireo fomba notsikerain'i Zwingli ireo ny fitsaohana ny olo-masina sy ny sisan-javatra navelan'ny olo-masina (relika), ny fampnantenana fanasitranana mahagaga ary ny fanararaotam-pahefana nataon'ny mpitondra fivavahana tamin'ny fampiasana ny [[indolzansy]]. Nahatonga azy halaza izany fianteherana amin'ny fahefan'ny Soratra Masina izany, ka tamin'ny 1 Janoary 1519 izy dia notendrena ho pretra tao amin'ny Katedralin'i Zurich izy.
 
=== Ny fanavaozam-pivavahana ===
Ivontoeran'ny fisainana homanista i Zurich sady nampanjaka ny fanao izay mametra ny fahefan'ny Fiangonana ivelan'ny Fiangonana. Nanao famelabelarana, amin'ny teny azon'ny olona fa tsy amin'ny tany latina, ireo lahatsoratry ny Baiboly amin'ny teny fototra, dia ny [[teny hebreo]] sy ny [[teny grika]], i Zwingli tao amin'ny Katedralin'i Zurich , ka noraisiny isan-toko sa isam-boky izany, ka ny Filazantara araka an'i Matio no nanombohany izany. Izany fandikana am-bava ny lahatsoratra fototryny Baiboly izay dia tsy fanaon'ny Fiangonana, satria ny pretra dia manoratra ny toriteny hataony avy amin'ny fivoasana ny dikan-tennin'ny Baiboly amin'ny [[teny latina]], dia ny [[Volgata]] izany, sy amin'ny fivoasana ny soratr'ireo [[Rain'ny Fiangonana]]. Nanomboka tamin'ny taona 1519 dia efa nnisy ny nanonta printy ny hevi-baovaon'i Zwingli izay niparitaka hatrany ivalenan'i Zurich.
 
Ligne 19 ⟶ 22 :
Niova ho [[teokrasia]] i Zurich ka i Zwingli sy fiadidian-draharaha kristiana no mpitarika izany. Nisy ireo fepetra hentitra dia hentitra izay noraisina: fanovana ny monastera ho toeram-pitsaboana, fanafoanana ireo sary masina sy ny lamesa ary ny fanambaràm-pahotana (konfesy). Nanambara i Zwingli fa ny Kristiana marina dia tsy mila [[papa]] na Fiangonana akory.
 
=== Fiafaran'i Zwingli ===
[[Sary:Ermordung Zwingli Jauslin.JPG|vignette|''Ny namonoana an'i Zwingli'', sary nataon'i Karl Jauslin (1842–1904).]]
Tamin'ny taona 1529 dia bnivadika ho ady an-trano ny fifandrafiana nisy teo amin'ny tanàna tsy mitovy finoana. Tamin'ny 10 Oktobra 1531 dia nisahana fitaizam-panahy sy mpitondra fanevan'ny tafika soisa protestanta i Zwingli, ka naratra tamin'ny ady nifanaovana tao Kappel, avy eo novonoin'ny miaramila nandresy izy ny ampitson'io. Taorian'ny nahafatesany dia nitsahatra ny fielezan'ny Fanavaozam-pivavahana tany Soisa, ka ny ampahany amin'ny mponina dia Protestanta fa ny ampahany Katolika.
 
== Ny teolojian'i Zwingli ==
 
=== Ny fomba fivoasana ny Soratra Masina ===
Araka ny hevitr'i Zwingli, ny vatofehizoron'ny teolojia dia ny [[Baiboly]]. Maka hevitra amin'ny [[Soratra Masina]] i Zwingli rehefa nanoratra boky. Apetrany ambonin'ny loharano hafa rehetra, toa ny [[konsily ekiomenika]] sy ny [[Rain'ny Fiangonana]], ny Soratra Masina, na dia tsy misalasala aza izy amin'ny fampiaana loharano hafa hanohanany ny heviny. Ny ainga fototra mitari-dalana ny fivoasana ataon'i Zwingli dia avy amin'ny fanabeazana azony tamin'ny [[rasionalisma]] sy ny [[homanisma]] sy tamin'ny fahazoana ny tian'ny Baiboly ho lazaina araka ny fomban'ny fanavaozam-pivavahana. Laviny ny fanaovana fivoasana ara-bakiteny ny andalana ao amin'ny Soratra Masina, tsy sahala amin'ny an'ny [[Anabatisma|Anabatista]], mampiasa fivoasana am-panoharana izy ka fomba fiasa nohazavainy ao amin'ny ''A Friendly Exegesis'' (1527) izany. Misy fifandraisana am-panoharana na ara-tandindona ohatra eo amin'ny [[batisa]] sy ny famorana ary eo amin'ny [[eokaristia]] sy ny [[paska jiosy]]. Nifantohany koa ny lahatsoratra manodidina (konteksta) sady niezaka nanakatra ny tanjona kendrena ao ambadik'izany izy, ka manao fampitaha andalan-tSoratra Masina.
 
=== Ny hoe ''sakramenta'' ===
Lavin'i Zwingli ny teny hoe ''sakramenta'' araka ny fampiasan'ny vahoaka io teny io tamin'izany fotoana izany. Ho an'ny olon-tsotra dia midika karazana asa masina izay iraiketan'ny hery manafaka ny feon'ny fieritreretana amin'ny fahotana io teny io. Amin'i Zwingli dia karazana fianianana na fampanantenana ny [[sakramenta]], ka asehony fa io teny io dia avy amin'ny [[teny latina]] hoe ''sacramentum'' izay midika hoe "fianianana" (Io teny io no nahazoana ny teny frantsay hoe ''serment'').
 
=== Ny batisa ===
Tamin'ny asa soratr'i Zwingli momba ny [[batisa]] (na batemy) dia nilaza izy fa karazany iray amin'izany fampanantenana na fianianana (''sacramentum'') izany ny batisa. Nihaika ny Katolika izy tamin'ny fiampangany azy ireo ho [[Finoanoam-poana|mpinompino foana]] raha mihevitra izy ireo fa misy hery manasa [[fahotana]] ny rano anatanterahana ny batemy. Taty aoriana, raha tsy nifanara-kevitra tamin'ny [[Anabatisma|Anabatista]] izy, dia niaro ny fanaovam-batisan-jaza, ka nilaza fa tsy misy lalàna mandrara ny fanaovana izany. Nanazava izy fa ny batisa dia famantarana ny fanekem-pihavanana amin'Andriamanitra, ka misolo ny [[famorana]] ao amin'ny [[Testamenta Taloha]].
 
=== Ny eokaristia na fanasan'ny Tompo ===
Mitovitovy amin'ny fiheverany batisa ny fiheverany ny [[eokaristia]]. Nandritra ny ady hevitra ifanatrehana (latina: ''diputatio'') nifanaovany tao Zurich tamin'ny taona 1523 dia notsipahiny ny fisian'ny [[Fisoronana|sorona]] tokoa mandritra ny [[sorona masina]] (lamesa), ka nanazava izy fa i [[Kristy]] dia natao sorona tokana indray mandeha monja ho an'ny fotoana rehetra. Ny eokaristia dia "fahatsiarovana ny sorona". Araka izany heviny izany no nampandrosoany ny fomba fijeriny, ka nanaovany tsoa-kevitra ny amin'ny fanaovana fivoasana ara-pamantarana ireo teny anorenana ny [[fanasan'ny Tompo]]. Maro ireo andalana ao amin'ny Soratra Masina raisin'i Zwingli hanoherana ny "[[fiovan-draha]]" (transsobstansiasiona) nampianarin'i [[Lotera]], ka ny andalana ampiasainy amin'izany dia ao amin'ny [[Filazantsara araka an'i Jaona]] (Jao. 6.63). Ny fomba fijerin'i Zwingli sy ny fivoasany ny Soratra Masina amin'ny fanakarany ny hevitry ny eokaristia dia antony iray tsy nampisy fifanarahana teo aminy sy i Lotera.
 
== Jereo koa ==