Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-18:
Niroborobo tokoa ny Fiangonana katolika teto Madagasikara tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany na dia teo aza ny fandroahana ireo misionera frantsay. Ny andry niorenany moa dia ramatoa [[Victoire RASOAMANARIVO|Rasoamanarivo]] [[Victoire RASOAMANARIVO|Victoire]] (1848-1894), vehivavy nahery fo tokoa tamin'ny fijoroana vavolombelon'ny finoana. Tsy niasa irery anefa izy fa nampian'i [[Frera Louis Raphael RAFIRINGA|Frera Rafiringa Raphael Louis]] tamin'izany. Marihina fa izy ireo dia samy nasandratra ho [[Olontsambatra (katolisisma)|olontsambatra]] avokoa. Teo ihany koa ny fifaninanana tamin'ny [[Protestantisma eto Madagasikara|Fiangonana protestanta]] ka tsy mora tamin'ireo Katolika tany amboalohany ny nifikitra tamin'ny fiangonany.
 
Teo anelanelan'ny taona 1896 sy 1898 ny fiangonana katolika dia nanomboka nametraka fandaminana ary tamin'ny taona 1925 dia afaka nisy ny fanosorana [[Pretra (katolika)|pretra]] teratany malagasy. Efa nahatratra 100 000 ny mpino katolika tamin'ny taona 1900. Tamin'ny taona 1939 no voahosotra ny [[pretra]] malagasy voalohany, dia i Ignatius Ramarosandratana, izay nohosorana ho [[eveka]] tany [[Roma]], tamin'ny andron'ny Papa [[Pio XII]]. Tamin'ny taona 1947 dia novonoin'ny mpitondra politika tamin'izay ny katekista [[Lucien Botovasoa]] <ref><small>[https://www.ofmcap.org/it/documenti-ofmcap/cause-in-corso/cause-extra-ordine/404-lucien-botovasoa-1908-1947-n-prot-2998 Lucien Botovasoa (1908-1947)]</small></ref> <ref><small>[http://press.vatican.va/content/salastampa/it/bollettino/pubblico/2017/05/04/0295/00670.html Promulgazione di Decreti della Congregazione delle Cause dei Santi]</small></ref>. Tamin'ny taona 1969 dia nanana ny [[Kardinaly|kardinali]]<nowiki/>ny manokana amin'izay ny Fiangonana katolika eto Magadasikara, dia tsy iza fa i Jérôme Louis Rakotomalala.
 
==== Fahaleovanten'i Madagasikara ====