Volambita: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-8:
Ny Volambita sakalava koa dia tsy voatery hifanandrify tanteraka amin'ny Volambita tandroy na Volambita betsileo. Ny volana rehetra ao amin'ny lohataona dia nety natao Volambita tamin'ny fotoana faha mpanjaka, araka ny voasoratry ny mpahay tantara. Samy ao anaty lohataona ny Volambita samihafa fa tsy amin'ny fizaran-taona samy hafa.
 
Araka ny amintinan'ny ''DictionnaireRakibolana malgachemalagasy etsy Rakipahalalana momba an'i encyclopédieMadagasikara'' azy dia tsy manondro fari-fotoana tokana ny anarana hoe ''Volambita'' sady tsy volana voalohany ao amin'ny taona ny Volambita: ao amin'ny [[Antambahoaka|foko tambahoaka]] sy [[bezanozano]] dia anaran'ny volana faha-11 ny Volambita, fa ao amin'ny [[Bara|foko bara]] kosa dia mifanandrify amin'ny volana Aogositra izany; ny [[Sihanaka]] sy ny [[Antanosy]] kosa dia manao ny Volambita ho volana faha-8 (Rakotosaona, 1972)<ref>[http://motmalgache.org/bins/teny2/volambita <small>"Volambita", in ''Dictionnaire malgache et Encyclopédie''</small>]</ref>. Volana lehibemanan-danja indrindra ny Volambita (misabaka amin'ny volana Septambra sy Oktobra) any amin'ny faritra atsimo atsinanan'i Madagasikara<ref><small>[https://books.google.mg/books?id=1k4mNoUy5QMC&pg=PA240&lpg=PA240&dq=Volambita&source=bl&ots=iDCEMeaAw_&sig=ACfU3U1b_VLBfQkUokdrnC6XxeliDeEQ_g&hl=fr&sa=X&ved=2ahUKEwjNk4fTzazlAhWQX8AKHejWDMs4HhDoATAIegQICBAB#v=onepage&q=Volambita&f=false Constant HAMES (coll.), ''Coran et talismans - Textes et pratiques magiques en milieu musulman'', 2007, p. 240.]</small></ref>. Volana voalohany ny Volambita ao amin'ny foko betsimisaraka, izay manitsaka ny volana Septambra sy Oktobra, ka eo no anombohan'ny fotoam-pambolena<ref><small>[https://books.google.mg/books?id=WfcxAQAAQBAJ&pg=PA140&lpg=PA140&dq=Volambita&source=bl&ots=1iZy18ruKB&sig=ACfU3U2dETw7a1hOg8YA0kkwLm-GoKDtxQ&hl=fr&sa=X&ved=2ahUKEwjzpqPNz6zlAhUKTsAKHZhiAvE4KBDoATABegQICBAB#v=onepage&q=Volambita&f=false Hilde Nielssen, ''Ritual Imagination: A Study of Tromba Possession among the Betsimisaraka in Eastern Madagascar'', 2011, p. 140.]</small></ref>.
 
=== Volana malagasy amin'ny teny arabo mifanandrify amin'ny Volambita ===
Andalana faha-25:
[[Sary:Cuculus rochii (cropped).JPG|vignette|Kankafotra na Taotaonkafa (siantifika: ''Coculus rochii'')]]
Amin'io fotoana io, hoy ny mpomba ny taom-baovao lohataona, dia manomboka velom-bolo ny zavaboary manontolo, fa tsy ny olombelona ihany, manomboka mitsiry ny ravin'ireo zavamaniry manintsan-dravina, mihamaro ny vorona misiotsioka, manomboka ny fiasan-tany sns, mivoaka avy any anaty tany ireo biby mpilevina [[ririnina]]. Tsy ny Malagasy ihany no nankalaza ny [[lohataona]] fa firenena maro koa, ka ny volana Marsa, raha ny marina, dia fiandohan'ny lohataona any amin'ny ila-bolantany avaratra, fa ny aty atsimo kosa amin'ny volana Septambra.
 
== Ohabolana momba ny Volambita ==
 
* ''Marary volambita, velon-tsaramantsina: tsy olo-marary fa malain-kiasa''.
 
== Jereo koa: ==