Zefania (mpaminany): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
I [[Zefania (mpaminany)|Zefania]] na [[Zefania (mpaminany)|Sôfônia]] dia mpaminany hebreo voaresaka ao amin'ny [[Baiboly]]. Naminany tamin’ny nanjakan'i Josia tao amin'ny [[Fanjakan'i Joda]] (640-609 tal. J.K.) izy, tamin'ny andron'ny [[mpaminany]] [[Jeremia (mpaminany)|Jeremia]]. Nanohitra ny fanaon'ny firenena vahiny sy ny fivavahana amin’ny andriamani-tsy izy ny mpaminany sady nanakiana ny fomba ratsin'ny mpitondra. Nitoriteny tao Jerosalema izy tamin’ny taona 640-630 tal. J.K., taloha kelin’ny fotoana niasan’i Jeremia.
 
Tamin'ny fotoana nanjakan'i [[Amona (mpanjakan'i Jodà)|Amona]] sy [[Manase]] tao amin'ny Fanjakan'i Joda, ny fivavahana amin'ireo andriamanitra vahiny, toa an'i Bala[[Baala]] sy i [[Astarte]], dia nandroso tao [[Jerosalema (Andro Taloha)|Jerosalema]], izay nampiditra fanao vahiny. I [[Josia (mpanjakan'i Jodà)|Josia]], ilay mpanjaka nanavaonanitsy ny fivavahana, dia nikasa hampijanona izany fanao ratsy izany. Isan'ny nafana fo tamin'ireo mpanolo-tsaina ny amin'ity fanavaozana ity i [[Zefania (mpaminany)|Zefania]].
 
Nanohitra ny fivavahana sy ny fitondran-tena ratsy ny mpaminany Zefania. Ka raha hitany ny [[fanompoan-tsampy]] izay efa tafiditra hatrao amin'ny toerana masina, dia nampitandrina izy fa handrava ny sisa amin'i Bala sy ny anaran'ny mpisorona amin'izany toerana izany Andriamanitra. Nitaky ny hiverenan'ny vahoaka amin'ny fahatsoram-piainan'ireo razany fa tsy ny aingitraingitry ny fitafiana vahiny izay nitafian'ireo ambony saranga ny mpaminany.
 
Ny mpaminany Zefania no atao hoe nanoratra ny [[Bokin'i Zefania]].
 
== Ny anarany ==
Atao hoe צְפַנְיָה / ''Tsefanyāh'' , izay midika hoe "Nafenina i ''Yah''" na "Nafenin'i ''Yah''", i Zefania amin'ny [[teny hebreo]]. ka ny hoe ''Yāh'' dia fanafohezana ny hoe ''Yahweh''.
 
== Jereo koa ==