Ôbadia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Obadiah (Овдий).jpg|vignette|''Ny mpaminany Obadia,'' sary rosiana tamin'ny taonjato faha-18.]]
I '''Obadia''' na '''Abdiasa''' dia [[mpaminanin'i Israely]] voaresaka ao amin'ny [[Baiboly]]. Niaro ny ain'ireo mpaminany hafa miisa 100 izay nenjehin'ny mpanjakavavy [[Jezebela]] izy nary aminany ny handravana an'i [[Edoma]]. Tamin'ny andron-dry [[Jeremia (mpaminany)|Jeremia]] angamba no fotoana nahavelomany ka mety nahita ny fandravana an'i Jerosalema sy ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] voalohany tamin'ny fanafihan'i [[Nebokadnetsara II|Nebokadnetsara]] tokony ho tamin'ny taona 600 tal. J.K. Nanan-karena i Obadia nefa nozarainy tan'ireo mpaminany mahantra izany. Nindram-bola misy zanany tamin'i Jorama zanaky ny mpanjaka Ahaba izy hamelomany an'ireo mpaminany ireo. Lazain'ny Baiboly ho nihoatra ny an'i [[Abrahama (patriarka)|Abrahama]] ny fatahoran'i Ahaba an'Andriamanitra. Ny lovantsofina jiosy dia manao an'i Obadia ho nanoratra ny [[Bokin'i Obadia]].
 
== Ny anarany ==
Amin'ny [[teny hebreo]] dia atao hoe עֹבַדְיָה /''ʿŌvaḏyāh'' na עֹבַדְיָהוּ /''ʿŌvaḏyā́hū'';, izay midika hoe "Mpanompon'i ''Yah''" (izany hoe "Mpanompon'i Iahveh"), i Obadia.
 
== Jereo koa ==