Ezra: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
 
Andalana faha-1:
[[Sary:109.Ezra Reads the Law to the People.jpg|vignette|''Mamaky ny Lalàna eo anatrehan'ny vahoaka i Ezra,'' nataon'i Gustave Doré, taona 1866.]]
I '''Ezra''' na '''Esdrasa''' dia olona resahina ao amin’ny [[Tanakh]] (Baiboly hebreo) sy ny [[Baiboly]] kristiana, indrindra ao amin’ny [[Bokin'i Ezra]] (na Bokin'i Esdrasa) sy ny [[Bokin'i Nehemia]], sy boky hafa koa. Jiosy babo tany Babilona izay niverina an-taniny tao Jerosalema tokony ho tamin'ny taona 428 tal. J.K. i Ezra. Sady [[Mpisorona jiosy|mpisorona]] izy no [[mpanoradalàna]], izay velona teo anelanelan’ny taonjato faha-5 sy faha-4 tal. J.K. Atao koa Ezra Mpanoradalàna na Esdrasa Mpanoradalàna koa izy (hebreo : ''עזרא הסופר‬ / Ezra ha-Sofer'').
 
== Ny asa nataon'i Ezra ==
 
=== Fanavaozana ny fivavahana jiosy ===
Nitana anjara lehibe teo amin’ny fanavaozana ny fivavahana jiosy taorian’ny [[Fahababoana tany Babilona|Fahababoana]] i Ezra. I Ezra dia heverin’ny sasany ho mpanorina faharoa (taorian’ny [[Mosesy]]) ny firenena jiosy. Izy no nipoiran’ny fampanjariana fehezan-dalàna ireo fitsipika isan-karazany nifehy ny fivavahana sy ny fiaraha-monina jiosy, indrindra ireo izay mifehy ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] sy ny famaritana ny boky filamatry ny finoana ([[Kanona|boky kanonika]]). Nandray anjara betsaka tamin’ny fanoloana ny mpisorona ho mpampianatra (na ''raby,'' hebreo: ''רַב'' / ''rav'') izy.
 
=== Fanorenana indray ny Tempoly ===
Izy no nitondra ny andiany faharoa tamin’ireo Jiosy nody an-tanindrazana taorian’ny Fahababoana avy any Babilona mba hanorina indray ny [[Tempoly]] ao Jerosalema izay noravan’ireo Babiloniana tany aloha.
 
== Ireo soratra amin'ny anaran'i Ezra ==
Andalana faha-18:
* [[Bokin'i Nehemia]] izay atao hoe ''2 Esdrsas'' ao amin’ny [[Volgata]].
Ny [[Boky Ezra-Nehemia]] dia atao hoe ''1 Izra'' ao amin’ny [[Baiboly ortodoksa|Baiboly ortodoksa etiopiana]].
 
Ny [[Boky voalohan'ny Tantara|Boky voalohany]] sy [[Boky faharoan'ny Tantara|faharoan'ny Tantara]] koa dia ataon'ny lovantsofina jiosy fa nosoratan'i Ezra.
 
=== Apokrifa na pseodepigrafa amin’ny anaran’i Ezra na Esdrasa : ===
Misy fito ny soratra [[Apokrifan'ny Baiboly|apokrifa]] na [[Pseodepigrafa (Baiboly)|pseodepigrafa]] amin’ny anaran’i Ezra ka mety hitambatra ho boky iray ny sasany arakaraka ny fiangonana na ny Baiboly na ny fiteny itanisana azy. Mety hiova araka izany koa ny laharana araka izany :
* [[Boky fahatelon'i Esdrasa]] na Boky grikan’i Esdrasa)