Samoela: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-8:
 
== Ny tantarany araka ny Baiboly ==
Teraka tao Rama i Samoela. Raha mbola kely izy dia natokan-dreniny Ana ho an'Andriamanitra satria ninoany fa fanomezan'Andriamanitra i Samoela noho i Ana vehivavy momba. Nentin'i Ana hotezaina ao amin'ny mpisorombe Ely izy tamin'ny fahazazany. Rehefa lehibe i Samoela dia niverina tao Rama (1Sam. 7.17) ka tao izy no niasa amin'ny mpaha mpitsara azy sady ao koa no misy ny fasany (1Sam. 25.1). Nandritra ny fotoana nisian'ny fahasahiranan'ny firenena sy tamin'ny fiampitanatetezamita fitondranateo (tetezamita)amin'ny fitondràn'ny [[Mpitsara ao amin'ny Baiboly|mpitsara]] sy ny fitondrà-mpanjaka dia nisahana andraikitra lehibe maokana i Samoela.
 
Taty aoriana rehefa tonga mpaminany antitra sy nalaza tao Israely i Samoela dia nanendry ny mpanjakan'ny Hebreo voalohany, dia i [[Saoly]] (na Saola), izay natoron'Andriamanitra azy. Nila mpanjaka tokoa ny Hebreo na dia tsy tian'i Samoela aza izany, satria hoy Andriamanitra tamin'i Samoela: "''Henoy ny feon'ny vahoaka, satria tsy ianao no laviny fa Izaho, mba tsy hanjakako aminy intsony''".
 
Rehefa tsy sitrak'Andriamanitra i Saoly dia nilaza tamin'i Samoela mba hanosotra olona hafa ho mpanjaka, dia i [[Davida (mpanjaka)|Davida]] izany, izay mbola zazalahy mpiandry ondry. Rehefa nadresy an'i Goloata[[Goliata]] i Davida dia nalaza be nihoatra an'i Saoly ka afaka nanomana azy amin'ny fanosorana sy fametrahana azy teo amin'ny toeran'ny mpanjaka amin'izay i Samoelaa. Taorian'ny nahafatesan'i Samoela, ny omalin'ny andro niadian'ny Hebreo sy ny [[Filistina]] teo amin'ny tendrombohitra Gelboa (na Gelboe), izay nahafaty an'i Saoly sy i Jonatana zanany, dia niteny tamin'ny mpamoha angatra tao Endora i Saoly mba hiantso ny fanahin'i Samoela ka hanoro hevitra azy (1Sam. 28.13). Nilaza ny hahafatesan'i Saoly i Samoela.
 
== Nanoratra boky, araka ny lovantsofina ==
I Samoela no nanoratra ny [[Bokin'ny Mpitsara]] sy ny ampahan'ny [[Bokin'i Samoela]] izay nadraisan'ny mpaminany [[Gada (mpaminany)|Gada]] anjara fanoratana koa araka ny lovantsofina jiosy.
 
== Jereo koa: ==