Samoela: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
[[Sary:Gerbrand van den Eeckhout - Anna toont haar zoon Samuël aan de priester Eli.jpg|vignette|187x187px|''Nitondra an'i Samoela teo amin'i Ely i Ana reniny'', sary nataon'i Gerbrand van den Eeckhout tamin'ny taona 1665.]]
[[Sary:Louvre rosa apparition.jpg|vignette|254x254px|''Niseho tamin'i Saoly ny fanahin'i Samoela'', sary nataon'i Salvator Rosa, taona 1668.]]
I '''Samoela''' dia sady mpaminany no [[Mpitsara ao amin'ny Baiboly|mpitsara]]. Izy no farany amin'ireo mpitsara tao Israely nandimby an'i [[Ely (mpitsara)|Ely]]. Atao hoe שְׁמוּאֶל / ''Shemūʼēl'') izy amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]]. Ny lovantsofina dia milaza fa izy no nanoratra ny [[Boky voalohan'i Samoela|Boky voalohany]] sy [[Boky faharoan'i Samoela|faharoan'i Samoela]] niaraka amin'i Gada sy i Natana. Niala amin'ny maha mpitsara azy izy tamin'ny nanosorany an'i [[Saoly]] ho mpanjaka, araka ny Boky voalohan'i Samoela (1Sam. 8-15) ary tapitra teo ny andron'ny mpitsara. Izy koa no nanosotra an'i [[Davida (Baiboly)|Davida]] ho mpanjaka (1Sam. 16-31).
 
== Ny anarany ==
Atao hoe שְׁמוּאֶל / ''Shemūʼēl'', izay midika hoe "anaran' Andriamantra" na "ny anarany dia Andriamanitra", izy amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]]. Amin'ny [[teny grika]] izy dia atao hoe Σαμουήλ / ''Samouél'' ary amin'ny [[teny arabo]] dia atao hoe '''صموئيل''' / ''Ṣamūʾīl.''
 
== Ny tantarany araka ny Baiboly ==
Teraka tao Rama i Samoela. Raha mbola kely izy dia natokan-dreniny Ana ho an'Andriamanitra satria ninoany fa fanomezan'Andriamanitra i Samoela noho i Ana vehivavy momba. Nentin'i Ana hotezaina ao amin'ny mpisorombe Ely izy tamin'ny fahazazany. Rehefa lehibe i Samoela dia niverina tao Rama (1Sam. 7.17) ka tao izy no niasa amin'ny mpaha mpitsara azy sady ao koa no misy ny fasany (1Sam. 25.1). Nandritra ny fotoana nisian'ny fahasahiranan'ny firenena sy tamin'ny fiampitana fitondrana (tetezamita) dia nisahana andraikitra lehibe maokana i Samoela.
 
Taty aoriana rehefa tonga mpaminany antitra sy nalaza tao Israely i Samoela dia nanendry ny mpanjakan'ny Hebreo voalohany, dia i [[Saoly]] (na Saola), izay natoron'Andriamanitra azy. Nila mpanjaka tokoa ny Hebreo na dia tsy tian'i Samoela aza izany, satria hoy Andriamanitra tamin'i Samoela: "''Henoy ny feon'ny vahoaka, satria tsy ianao no laviny fa Izaho, mba tsy hanjakako aminy intsony''".
 
Rehefa tsy sitrak'Andriamanitra i Saoly dia nilaza tamin'i Samoela mba hanosotra olona hafa ho mpanjaka, dia i [[Davida (mpanjaka)|Davida]] izany, izay mbola zazalahy mpiandry ondry. Rehefa nadresy an'i Goloata i Davida dia nalaza be nihoatra an'i Saoly ka afaka nanomana azy amin'ny fanosorana sy fametrahana azy teo amin'ny toeran'ny mpanjaka amin'izay i Samoelaa. Taorian'ny nahafatesan'i Samoela, ny omalin'ny andro niadian'ny Hebreo sy ny [[Filistina]] teo amin'ny tendrombohitra Gelboa (na Gelboe), izay nahafaty an'i Saoly sy i Jonatana zanany, dia niteny tamin'ny mpamoha angatra tao Endora i Saoly mba hiantso ny fanahin'i Samoela ka hanoro hevitra azy (1Sam. 28.13). Nilaza ny hahafatesan'i Saoly i Samoela.
 
== Jereo koa: ==