Fampianaran-diso (fivavahana): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''fampianaran-diso''' na '''finoan-diso''' na '''herezia''' na '''heresia''' dia fampianaram-pinoana izay heverin'ireo ao amin'ny fivavahana arahin'ny maro anisa, na ao amin'ny fivavahana ofisialy, fa mifanohitra amin'ny fampianarana marina tena izy (izay atao hoe ''ortodoksia''). Atao hoe ''heretika'' na ny mpampiana-diso na ny mpanaraka finoan-diso. Nampiasaina indrindra ny teny hoe ''heresia'' tamin'ny tantaranan'ny fivavahana kristiana hanoherana ireo manao fampianarana (na doktrina) na [[tenim-pinoana]] (na dogma) momba an'i [[Jesosy|Kristy]] sy ny [[Trinite]] na lohahevitra hafa tsy mifanaraka amin'izay tapaka amin'ireo [[konsily]], indrindra ny tamin'ireo [[konsily ekiomenika]]. Matetika dia ampangaina ho manao fampianaran-diso ny mpifananderina ara-pampianarana amin'ny tena.
 
Atao hoe ''heretika'' na ny mpampiana-diso na ny mpanaraka finoan-diso. Ny mpitarika na ny lehiben'ny herezia iray dia atao ho ''hereziarka'' (grika: αἱρεσιάρχης / ''hairesiárkhēs''), ny fandalinana ny herezia dia atao hoe ''hereziolojia,'' ary ny mpandalina ny herezia dia atao hoe ''hereziologa''.
Tamin'ny [[Andro Taloha]] dia nenti-nilaza ny sekolim-pandinihana iray manokana ny teny grika hoe ''αἵρεσις / haíresis,'' ka ohatra amin'izany ny zaridainan'i [[Epikorosy]] na Epikora. Nanjary nanana hevitra fanaratsiana ny teny hoe ''hairesis'' teo amin'ireo asa soratr'ireo mpanao tantaram-pivavahana manaraka ny Trinite (dia ny Katolika sy ny Ortodoksa tamin'izany fotoana izany), ary hatramin'izay dia nenti-nanondro fiheverana, fampianarana, na tenim-pinoana heverina fa mivaona amin'izay nekena na heverina fa zavatra efa azo tsy tokoly hovana eo amin'ny sehatry ny fandinihana sy ny fahalalana ary ny fivavahana. Araka an'i Michel Serres dia tsy maintsy misy olona manao ny tena ho mpampiana-diso: ny trinitera dia heretika eo imason'ny Kristiana tsy kalkedoniana izay nitandro ny foto-pampianarana natolotra talohan'ny taona 451.
 
Nampiasaina koa hilazana ny zava-mitranga ao amin'ireo fivavahana hafa toy ny [[finoana silamo]] sy ny [[jodaisma]], sns koa ny teny hie ''herezia'' taty aoriana. Miiratra hatrany ny hevitry ny teny hoe ''herezia'' ka ilazana izay fampianarana sy fiheverana rehetra mifanohitra amin'izay heverina fa efa eken'ny be sy ny maro, na tsy momba ny fivavahana sy ny finoana aza izany.
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny nogasina hoe ''herezia'' na ''heresia'', izay nadika hoe ''fampianaran-diso'' na ''finoan-diso'', dia avy amin'ny teny grika hoe αἵρεσις / ''haíresis'' izay midika hoe "safidy", izany hoe fisafidianana hevitra na fiheverana iray. Tamin'ny Andro Taloha izay nanaovana fivavahana manara-pombafomba kokoa fa tsy voafari-pampianaram-pinoana dia tsy nanana heviny ratsy ny teny hoe ''haíresis,'' tsy tahaka ny fampiasana azy teo amin'ny fivavahana kristiana. Tamin'ny taonjato vialohany taor. J.K. dia mbola nampiasa ny teny hoe ''haíresis'' i [[Flavio Josefa]] mba hilazany ireo sekoly ara-pivavahana sy ara-pilozofia samihafa<ref><small>"Hérésie", in ''Microsoft Encarta 2009''. 1993-2008 Microsoft Corporation.</small></ref>.
 
Tsy tokony hafangaro ny fampianaran-diso (na herezia) sy ny fandavana ny finoana (na apostazia) izay fialan'ny olona iray amin'ny fivavahana narahiny. Tsy afangaro amin'ny fitetenan-dratsy an'Andriamanitra sy ny zava-masina (na blasfemia) koa izany.
 
== Loharano sy fanamarihana ==