Fampianaran-diso (fivavahana): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tantaran'ny fivavahana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''fampianaran-diso''' na '''finoan-diso''' na '''herezia''' na '''heresia''' dia fampianaram-pinoana izay heverinaheverin'ireo ao amin'ny fivavahana arahin'ny maro anisa, na ao amin'ny fivavahana ofisialy, fa mifanohitra amin'ny fampianarana marina tena izy (izay atao hoe ''ortodoksia''). Atao hoe ''heretika'' na ny mpampiana-diso na ny mpanaraka finoan-diso. Nampiasaina indrindra ny teny hoe ''heresia'' tamin'ny tantaranan'ny fivavahana kristiana hanoherana ireo manao fampianarana (na doktrina) na [[tenim-pinoana]] (na dogma) momba an'i [[Jesosy|Kristy]] sy ny [[Trinite]] na lohahevitra hafa tsy mifanaraka amin'izay tapaka amin'ireo [[konsily]], inderindraindrindra ny tamin'ireo [[konsily ekiomenika]]. Matetika dia ampangaina ho manao fampianaran-diso ny mpifananderina ara-pampianarana amin'ny tena. Ny Kristiana mino ny Trinite, ohatra, dia
 
Tamin'ny [[Andro Taloha]] dia nenti-nilaza ny sekolim-pandinihana iray manokana ny teny grika hoe ''αἵρεσις / haíresis,'' ka ohatra amin'izany ny zaridainan'i [[Epikorosy]] na Epikora. Nanjary nanana hevitra fanaratsiana ny teny hoe ''hairesis'' teo amin'ireo asa soratr'ireo mpanao tantaram-pivavahana manaraka ny Trinite (dia ny Katolika sy ny Ortodoksa tamin'izany fotoana izany), ary hatramin'izay dia nenti-nanondro fiheverana, fampianarana, na tenim-pinoana heverina fa mivaona amin'izay nekena na heverina fa zavatra efa azo tsy tokoly hovana eo amin'ny sehatry ny fandinihana sy ny fahalalana ary ny fivavahana. Araka an'i Michel Serres dia tsy maintsy misy olona manao ny tena ho mpampiana-diso: ny trinitera dia heretika eo imason'ny Kristiana tsy kalkedoniana izay nitandro ny foto-pampianarana natolotra talohan'ny taona 451.
 
Nampiasaina koa hilazana ny zava-mitranga ao amin'ireo fivavahana hafa toy ny [[finoana silamo]] sy ny [[jodaisma]], sns koa ny teny hie ''herezia'' taty aoriana. Miiratra hatrany ny hevitry ny teny hoe ''herezia'' ka ilazana izay fampianarana sy fiheverana rehetra mifanohitra amin'izay heverina fa efa eken'ny be sy ny maro, na tsy momba ny fivavahana sy ny finoana aza izany.