Kônsily ekiomenika: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-1:
Ny '''konsily ekiomenika''' dia [[konsily]] na fivorin'ny [[eveka]] sy ny manampahefana ara-pivavahana rehetra ao amin'ny [[Kristianisma|Fiangonana kristiana]]. Rehefa nisaratsaraka anefa ny Fiangonana kristiana nandritra ny tantaran'ny [[kristianisma]] dia nanohy nampiasa ny teny hoe ''konsily'' ny [[Katolisisma|Fiangonana katolika]] na dia tsy nahafaoka ny Fiangonana kristiana manontolo izany fivoriana izany.

Ny [[Kristianisma ortodoksa|Ortodoksa]], ohatra, dia tsy manaiky ny fahefan'ny konsily ankoatr'ireo enina voalohany, nefa ny Katolika dia manaiky ny konsily ekiomenika efatra ambin'ny folo tamin'ny taonarivo faharoa, izany hoe konsily ekiomenika miisa 21. Ny farany amin'ireo konsily ireo dia ny [[Konsily Vatikàna II]] izay novorina tamin'ny taona 1962 hatramin'ny taona 1965. Matetika ny mpitondra fanjakana tamin'ireo taonjato nifandimby no nampanao konsily, fa ankehitriny kosa dia tsy miditra amin'izany ny fanjakana fa raharaha manokan'ny fivavahana izany.
 
== Ny konsily ekiomenika efatra voalohany ==