Sobstansa (teôlôjia): Fahasamihafan'ny versiona

tsy misy ambangovangom-panovana
(Teolojian'ny Trinite)
 
Aucun résumé des modifications
Ny teny hoe '''sobstansa''' dia teny ampiasaina ao amin'ny teolojia kristiana hiresahana momba ny fifandraisan'ny [[Andriamanitra Ray|Ray]] sy ny [[Zanak'Andriamanitra (kristianisma)|Zanaka]] ary ny [[Fanahy Masina]]. Teny nohagasina avy amin'ny [[teny latina]] hoe ''substantia'', izay nampiasaina tao amin'ny Fiangonana tandrefana miteny latina, ny hoe ''sobstansa''. Ny [[teny grika]] mifandraika aminy dia ny hoe ''οὐσία / ousίa'', izay nampiasaina tao amin'ny Fiangonana tatsinanana miteny grika. Manoloana io famaritana ny fifandraisan'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina io dia niseho ny firehana sy fampianarana samihafa toy ny hômôosisma sy ny hômôiosisma ary ny heterôosisma na anômeisma.
 
== Hevi-teny ==
 
=== Ny hômôosisma ===
Ny hômôosisma dia fampianarana izay ilazana fa mitovy sobstansa amin'ny Ray ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ka noho izany dia Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny Zanaka ary Andriamanitra ny Fanahy Masina. Tsy andriamanitra telo anefa ireo fa Andriamanitra tokana. Tamin'ny [[konsily voalohany tao Nikea]] tamin'ny taona 325 no nampidirana izany tao amin'ny fampianaran'ny Fiangonana. Tamin'izany no nanamelohana ny fampianaran'i Ariosy. Nohamafisina tao amin'ny konsily manaraka maro izany sady noraketina tao amin'ny [[fanekem-pinoana]] kristiana maro, indrindra ny [[fanekem-pinoana nikeana]]. Izay rehetra tsy nanaraka ity fampianatrana ity fa nanao fampianarana hafa momba ny sonstansan'ny Ray sy ny an'ny Zanaka ary ny an'ny Fanahy Masina dia nampangaina ho nanao fampianaran-diso ka natao hoe heretika.
<br />
 
== Ny "fampianaran-diso" momba ny sobstansa: ny arianisma ==
 
==== Ny anômosiana ====
Misy koa ireo izay nilaza fa tena tsy mitovy (grika: ''ἀνὅμοιος'' / ''anomoios'').amin'nnyny Ray ny Zanaka.
 
== Jereo koa ==
 
* [[Natiora (teolojia)]]
 
* [[Persona (teolojia)]]
28 236

modifications