Sobstansa (teôlôjia): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Teolojian'ny Trinite
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 18 Oktobra 2019 à 10:44

Ny teny hoe sobstansa dia teny ampiasaina ao amin'ny teolojia kristiana hiresahana momba ny fifandraisan'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Teny nohagasina avy amin'ny teny latina hoe substantia, izay nampiasaina tao amin'ny Fiangonana tandrefana miteny latina, ny hoe sobstansa. Ny teny grika mifandraika aminy dia ny hoe οὐσία / ousίa, izay nampiasaina tao amin'ny Fiangonana tatsinanana miteny grika.

Hevi-teny

Hevi-teny voalohany

Ny hevitra voalohan'ny teny latina hoe substantia dia "fitoerana ao ambany". Niitatra ny hevitr'io teny io ka nanondro ny raha (matiera) iforonan'ny zavatra iray ka tsy heverina ny fisehony na ny endriny mety miova ety ivelany. Ny teny grika hoe οὐσία / ousίa kosa dia avy amin'ny matoanteny grika hoe εἶναι / einai izay midika hoe "misy", afa-tsy hoe ampiasaina ho matoanteny andry ilay teny. Ny ousίa dia milaza ny maha-izy ny zavatra iray. Ny latina dia nandika ny hoe ousia amin'ny hoe substantia na essentia, izany hoe ilay zavatra na toetra tsy miova sady marin-toerana.

Hevi-teny teolojika

Ny Fiangonana tandrefana no nampiasa ny teny latina hoe substantia. Ny sobstansan'Andriamanitra dia ny "maha izy azy an'Andriamanitra", ny fototra maha-Andriamanitra an'Andriamanitra, ny tsy itovizan'Andriamanitra amin'ny zavatra noforonina. Ampiasaina ny teny hoe substantia rehefa hanao fampisampanan-teny ka ahazoana ny hoe consubstatialita (latina). Mitovy substantia, hoy ny mpanohana ny Trinite, ireo persona telon'Andriamanitra ka izany fitovian'ny substantia izany no atao hoe consubstatialita. Ny Fiangonana tatsinanana dia nampiasa ny teny grika hoe ουσία / ousia, izay mitovy hevitra amin'ny teny latina hoe substantia. Ilay atao hoe consubstatialita amin'ny teny latina dia atao hoe ὁμοούσια / homoousia amin'ny teny grika.

Ny "fampianarana marina" momba ny sobstansa

Ny hômôosisma


Ny "fampianaran-diso" momba ny sobstansa: ny arianisma

Ny arianisma dia nino fa ny Zanak'Andriamanitra dia nisy talohan'izao tontolo izao nefa noforonin'Andriamanitra mivantana sady eo ambany fahefan'Andriamanitra Ray. Ny fomba fijerin'i Ariosy dia izao: nateraka ny Zanaka ka toy ny noforonin'Andriamanitra voalohany indrindra ary avy eo namorona ny zava-drehetra tamin'ny alalan'ny Zanaka ny Ray. Ny fanekem-pinoana ariana fahafito (fanekem-pinoana faharoan'i Sirmioma) dia manambara fa ny homoousios (mitovy ousia na sobstantia) sy ny homoiousios (sobstantia na ousia mifanahaka) dia tsy araka ny Baiboly, lehibe noho ny Zanaka ny Ray (izany fanekem-pinoana izany dia fantatra taty aoriana amin'ny anarana fanaratsiana hoe "Blasfeman'i Sirmioma"). Maro ny endrika nisehoan'ny arianisma ka isan'izany ireto manaraka ireto, raha momba ny sobstansa.

Ny antoko voalohany

Ny antoko voalohany tamin'ny arianisma dia ireo avy any Atsinanana izay manaraka ny Faneke-mpinoana nikeana nefa misalasala ny amin'ny fampiasana ny teny grika hoe ὁμοούσιος / homoousios (latina: consubstatialita "fitoviana sobstansa", "fitoviam-pomba") ao amin'ilay fanekem-pinoana nefa tsy hita ao amin'ny Soratra Masina.

Ny hômôiosisma

Ao ireo Ariana manaraka ihany ny Faneke-mpinoana nikeana nefa nandanjalanja ny amin'ny fampianarana momba ny hômôiosisma ka nilaza fa manana sobstansa hafa sahalahala fa tsy mitovy (grika: ὁμοιούσιος / homoiousios) amin'ny an'ny Ray ny Zanaka. Tsy ampifangaroina amin'ny hômôosisma ny hômôiôsisma.

Ny hômeisma

Ao ireo Ariana manaraka ny Faneke-mpinoana nikeana nefa nandanjalanja ny amin'ny fampianarana momba ny hômôiosisma ka mampianatra fa sahalahala (grika: όμοιος / hómoios) amin'ny Ray ny Zanaka.

Ny antoko faharoa

Ny antoko faharoa amin'ny arianisma dia ireo izay nilaza fa tsy mitovy sobstansa amin'ny Ray ny Zanaka, na tena tsy mitovy aminy mihitsy.

Ny heterôosiana

Misy ireo izay nilaza tsotra fotsiny fa hafa fomba na tsy mitovy sobstansa (grika: ἕτεροούσιος / heteroousios) amin'ny Ray ny Zanaka.

Ny anômosiana

Misy koa ireo izay nilaza fa tena tsy mitovy (grika: ἀνὅμοιος / anomoios).amin'nny Ray ny Zanaka.