Filazantsara araka an' i Joany: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Andalana faha-1:
[[Sary:Johannesminne BNM.jpg|vignette|''I Jesoa sy ilay mpianatra tiany indrindra''|345x345px]]
Ny '''Filazantsara''' '''araka''' '''an'i''' '''JaonaJoany''', na '''Evanjely''' '''araka''' '''an'i''' '''Masindahy''' '''Joany''' na '''Vaovao Mahafaly araka an'i Masindahy Joany''' na '''Filazantsara''' '''araka''' '''an'i''' '''Jaona''' na '''Vaovao Mahafaly araka an'i Jaona''' dia [[Filazantsara]] na [[Evanjely]] fahefatry ny [[Testamenta Vaovao]] ao amin'ny [[Baiboly]]. Mandresy lahatra ny mpamaky azy ny mpanoratra fa i [[Jesosy]] no ilay [[Mesia]] nadrasan'i Israely, dia ny [[Zanak'Andriamanitra]] avy ho Mpamonjy izao tontolo izao (Joa. 4.42). Amin'ny fisehoan'i Jesosy voalohany imasom-bahoaka dia mizara roa ny mpihaino azy: ao ireo manaraka azy ary ao koa ireo mimenomenona sy manohitra azy (Joa. toko 1 - 4) noho izy milaza ny tenany fa nirahina mba hanambara ny zavatra hitany teo amin'Andriamanitra (Joa. 3.32). Milaza ny tenany ho Fiainana, Fahazavana manafaka amin'ny haizina, Fahamarinana manafaka amin'ny lainga izy: izy tenany no Tompo. Eo am-pandrenesana izany rehetra izany dia nanameloka azy ny ankabetsahan'ny olona nefa tsy vitsy koa ireo izay natoky an'ity Mpitondra hafatra ity: "Tompo ô, hankany amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay." (Joa. 6.68).
 
Niafara tamin'ny fitsarana sy famonoana an'i Jesosy izany fifanoherana sesilany nandritra ny telo taona nifaneraserany tamin'ny vahoaka izany (Joa. toko 13 - 19). Nefa [[Fitsanganan'i Jesosy ho velona|natsangan'Andriamanitra]] ho velona mandrakizay izy. Izany no manaporofo fa ireo teny rehetra noteteniny dia marina daholo. Izany no nahatonga an'i [[Tomasy]] (na Tômà) ho resy lahatra ka nanao hoe: "Tompoko sy Andriamanitro" (Joa. 20.28). Manasa ny mpamaky azy mba hanao sahala amin'i Tomasy koa ny mpanoratra ny Evanjely fahefatra, satria hoy izy: "fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino ianareo." (Joa. 20.31).
Andalana faha-14:
 
==== Ny mpanoratra ====
Na ny anaran'ny mpanoratra na ny anaran'i [[Joany apostoly|Jaona]] (na Jaona apostoly), izay mpianatra manana ny maha izy azy ao amin'ireo [[Evanjely sinoptika]] sy ao amin'ny [[Asan'ny Apostoly|Asan'ny Apostoly,]] dia tsy voaresaka ao amin'ity Evanjely fahefatra ity. Any amin'ny famaranan-teny (toko faha-21) ny mpanoratra vao miresaka ny amin'ilay "mpianatra tiana indrindra" izay lazain'ny [[lovantsofina]] fa nanoratra ilay Evanjely<ref><small>Jean Zumstein, ''L'Évangile selon Jean'', in Daniel Marguerat (dir.), ''Introduction au Nouveau Testament : Son histoire, son écriture, sa théologie'', éd. Labor et Fides, 2008, <abbr>p.</abbr> 386.</small></ref>. Tamin'ny taonjato faha-2 dia niely ny filazana ny Evanjely fahefatra izay natao hoe "Evanjely nosoratan'i Joany" (na Filazantsara nosoratan'i Jaona")<ref><small>François Vouga, « Jean : auteur, destinataires, perspectives », dans Michel Quesnel et Philippe Gruson, ''La Bible et sa culture, vol. II'', Desclée de Brouwer, 2011, p. 414.</small></ref>. Nanomboka amin'izany fotoana izany dia [[Jaona (evanjelistra)|Joany]] na [[Jaona (evanjelistra)|Jaona]] no heverina ho nanoratra ny Evanjely fahefatra. Tsy iza izany fa i JaonaJoany Apostoly, ilay atao hoe "Zanak'i Zebedio". Ny mpikaroka ara-tantara sasany dia manasokajy an'io evanjely io ho [[Pseodepigrafa (Testamenta Vaovao)|pseodepigrafa]].
 
==== Ny fotoana sy ny toerana nanoratana ====
Voasoatra taorian'ireo [[Evanjely sinoptika]] ny Evanjelin'i JaonaJoany<ref><small>Hans Conzelmann et Andreas Lindemann, ''Guide pour l'étude du Nouveau Testament,'' éd. Labor et Fides, 1999, <abbr>p. 397</abbr></small></ref>. Teo anelanelan'ny taona 80 sy 110 no nanoratana azy. Tsy dia misy zavatra azo iankinana hahafantarana ny toerana nanoratana voalohany ny Filazantsaran'i JaonaJoany. maro ireo mpikaroka izay miankina amin'ny filazan'ireo [[Rain'ny Fiangonana]] izay misafidy ny faritr'i [[Efeso|Efesosy]] (na EfesosyEfeso na Efezy) ao amin'ny faritany fehezin'ny Romana any Azia (andrefan'i [[Torkia]] ankehitriny)<ref><small>François Vouga, « Jean : auteur, destinataires, perspectives », dans Michel Quesnel et Philippe Gruson, ''La Bible et sa culture, vol. II'', Desclée de Brouwer, 2011, <abbr>p.</abbr> 415.</small></ref>, araka ny lovantsofina<ref><small>Raymond E. Brown, ''Que sait-on du Nouveau Testament ?'', Bayard, 2011 (1re éd. 1997) (<nowiki>ISBN 978-2-227-48252-4</nowiki>) <abbr>p.</abbr> 377.</small></ref>.
 
== Fizaràn'ny boky ==
Andalana faha-23:
 
=== Fitarihan-teny (1.1-8) ===
Ny fitarihan-teny dia manambara amin'ny mpamaky hoe iza marina i Jesosy: izy no Tenin'Andriamanitra izay nenti-namorona izao tontolo izao sady [[Fahatongavana ho nofo (kristianisma)|tonga nofo]]<ref><small>Aune, David E. (2003). "John, Gospel of". ''[https://books.google.com/?id=nhhdJ-fkywYC&printsec=frontcover#v=onepage&q&f=false The Westminster Dictionary of New Testament and Early Christian Literature and Rhetoric]''. Westminster John Knox Press. ISBN 9780664219178, p. 245.</small></ref>. Ny ao amin'ny Joany 1.10-12 dia mitantara toy izao: tonga tao amin'ny [[Jiosy]] (na Jody) i Jesosy fa ny Jiosy tsy nandray azy, nefa "izay rehetra nandray Azy (ny mpino kristiana) izay nino ny Anarany, dia nomeny hery ka tonga zanak'Andriamanitra"<ref><small>Aune, David E. (2003). "John, Gospel of". ''[https://books.google.com/?id=nhhdJ-fkywYC&printsec=frontcover#v=onepage&q&f=false The Westminster Dictionary of New Testament and Early Christian Literature and Rhetoric]''. Westminster John Knox Press. ISBN 9780664219178, p. 246.</small></ref>.
 
=== Ny ''Bokin'ny famantarana'' (toko 1.19–12.50) ===
Andalana faha-29:
==== I Jesosy tao Galilea sy ny manodidina (1.19-4.54) ====
 
*Fijoroan'i [[Joany mpanao batisa|Joany Batista]] (na Jaona mpanao batisa) ho vavolombelona (1.19-34)
* Ireo [[Apostoly roa ambin'ny folo|mpianatra]] voalohany (1.35-51)
* Fahagagana voalohany: fanovana ny rano ho divay tao Kanà (2.1-12)
Andalana faha-48:
* Nandehandeha eny ambony rano i Jesosy (6.16-21)
* Ny mofon'aina (6.22-6.65)
* Ny [[Fanekem-pinoana|fanekem-pinoan]]'i [[Petera]] (6.66-71)
 
[[Sary:La curacion del ciego El Greco Dresde.jpg|vignette|258x258px|''Fampahiratana an'ilay jamba,'' nataon'i El Greco (1567)]]
Andalana faha-54:
==== I Jesosy tao Jerosalema sy ny manodidina (7.1-12.50) ====
 
* I Jesosy nankalaza ny [[fetin'ny Tranolay]] tao [[Jerosalema (Andro Taloha)|Jerosalema]] (7.1-13)
* Mitombo ny fanoherana an'i Jesosy (7.14-24)
* Ady hevitra momba ny fiavian'i Jesosy (7.25-30)
Andalana faha-96:
* Ny fandavan'i [[Petera]] voalohany an'i Jesosy (18.15-18)
* Nentina teo anatrehan'ny mpisoronabe i Jesosy (18.19-24)
* Ny fandavan'i [[Petera]] fanindroany sy fanintelony (18.25-27)
* Nentina teo anatrehan'i [[Pontio Pilato|Pilato]] i Jesosy (18.28-40)
* Nohelohin'i Pilato ho faty i Jesosy (19.1-16)
* Ny nahafatesan'i Jesosy (19.17-37)