Zakaria (rain' i Joany): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Olona resahina ao amin'ny Baiboly
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 13 Oktobra 2019 à 11:59

I Zakaria dia mpisorona rain'i Joany Batista sady vadin'i Elizabeta, araka ny lovatsofina kristiana, mitovy amin'izany koa ny lovantsofin'ny fivavahana mandeana sy silamo. Ahitana firesahana ny amin'i Zakaria ny ao amin'ny Evanjelin'i Lioka sy ao amin'ny protevanjelin'i Jakoba ary ao amin'ny Kor'any. Ao amin'ny Kor'any dia voalaza fa mpaminanin'i finoana silamo i Zakaria. Ao amin'ny lovantsofina miozolmana atao hoe Ashâ ny vadin'i Zakaria renin'i Joany (arabo: Yahyâ).

Miseho amin'i Zakaria ny arkanjely Gabriela

Atao hoe זכריה Zəḵaryāh i Zakaria amin'ny teny hebreo, izany anarana izany dia midika hoe "Mahatsiahy i Yah" (Yah: fanafohezana ny hoe Yahweh, anaran'Andriamanitra). Amin'ny teny grika kosa dia Ζαχαρίας / Zacharias. Amin'ny teny arabo dia atao hoe زَكَـرِيَّـا‎ / Zakariyyāʾ izy.