Andriamanitra (tokana): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Nanampy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitsy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-49:
Tamin'ny nanambaràna ny [[Soratra Masina]], Andriamanitra dia niteny tamin'ny alalan'ny [[anjely]] Jibrily ([[Gabriela (arikanjely)|Gabriela]]) sy ny mpaminany Mohamady izay nandre ny tenin'Andriamanitra fa tsy ny feony. Sady lavitra no akaiky, sady araka ny fomban'olombelona no tsy takatry ny sain'olombelona Andriamanitra, araka ny soratra ao amin'ny [[Kor'any]], ka zava-miafina tanteraka izy, na "''ghayb''", ka tsy hay ampitahaina na amin'inona na amin'inona amin'ny zavatra noforoniny. Manana toetra fito fototra i Allah, dia ny fiainana, ny fahalalana, ny hery, ny sitrapo, ny fandrenesana, ny fahitana ary ny fitenenana.
 
Ivon'ny finoana sy ny fomba fiainan'ny mpino silamo ny anaran'i Allah izay ifatoran'ny lafim-piainany rehetra amin'ny alalan'ny fivavahana. Tsy lahy tsy vavy Andriamanitra. Mpahary sy mahefa ny zava-drehetra sy mahalala ny zava-drehetra ary mihoatra ny zavaboary noforoniny izy. Izy no tompon'izao rehetra izao sy ny hoavy, mpitsara amin'ny [[Fitsaranafitsarana farany]], niseho tamin'ny mpaminany nifandimby hatramin'i [[Adama]] ka hatramin'i Mohamady. Ny Soràtasoràta 112 (''Al-Ikhlas'') dia mamondrona ny fotopotony amin'ny fiheveran'ny Silamo an'Andriamanitra: "Izy no Allah tokana, Allah tsy azon-kevitratakatry ny eritreritra, tsy miteraka Izy, tsy nateraka Izy, ary tsy mitovy na amin'inona na amin'inona Izy". Ny [[Kor'any]] dia manambara koa ny toetrantoetr' Andriamanitra izay [[Fihoa-draha|mihoa-draha]] tanteraka nefa milaza koa io boky io fa akaiky ny olombelona (Kor'any, Soràtasoràta 50.16) sy ny zavaboary noforoniny izay isehoan'ny asany sy anehoany izany asany izany Andriamanitra<ref name=":0"><small>Paul Ballanfat, "Allâh" in M.A. Amir-Moezzi (dir.) ''Dictionnaire du Coran'',  <abbr>éd.</abbr> Robert Laffont, 2007, <abbr>p.</abbr> 40-43.</small></ref>.
 
Mitarika ny olombelona amin'ny hoaviny izay tsy fantany na ny heviny na ny vokany Andriamanitra; afaka mitari-dalana na mampania ny olombelona Andriamanitra, manasazy sy mamela heloka izy. Fantany ny antsipirian'ny fisainan'ny olona tsirairay, izy no hitsara amin'ny Fitsaranafitsarana farany izay hanasaziana ny mpanota sy ny tsy mino ary hamaliana soa ny mpino mahatoky. Ambara matetika ny fahatezerany ka matetika izy dia atao hoe "ilay Mahatahotra" ([[Fiteny arabo|arabo]]: ''al-Jabbâr'' na ''al-Qahhâr''). Nefa ny toetrany misongadina indrindra dia ny halehiben'ny famindramponyfamindram-pony izay mahery vaika ka mahasahana ny zavatra rehetra, araka ny voasoratra ao amin'ny Kor'any<ref name=":0" />.
 
== Ny fiheveran'ny filozofa an'Andriamanitra ==