Andriamanitra (tokana): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy sns
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Nanampy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-30:
 
=== Andriamanitra, araka ny kristianisma ===
Nandova ny fiveheverana sasany ao amin'ny [[jodaisma]] ny [[kristianisma]] noho izy nampiasa ny boky masin'ny jodaisma, dia ny [[Testamenta Taloha]] ao amin'ny [[Baiboly]]. Nisy fiovany izany fiheverana izany taorian'ny niainan'i [[Jesosy|Jesosy Kristy]] teto an-tany izay ataon'ny Kristiana fa [[zanak'Andriamanitra]] tonga nofo sady ilay [[Mesia]] resahin'ireo [[mpaminany]] sady nadrasana hatramin'izay. Niteraka fikorontanan'ny finoana an' [[Andriamanitra tokana|Andriamanitra]] tokana, araka ny ampianarin'ny jodaisma, izany fivoasana vaovao ny [[Soratra Masina]] izany, izay tsy ny [[Testamenta Taloha]] ihany fa ny [[Testamenta Vaovao]] koa sy ny boky sasany ataon'ny manam-pahaizana hoe [[Apokrifan'ny Baiboly|''apokrifa'']] na ''pseodepigrafa,'' izay nampiharana koanampiditra voambolana sasany avy taminamin'ny [[filozofia]] grika (indrindra ny an'i [[Plato]]) hanazavany ny toetran'ny andriamaniny.
 
==== Andriamanitra Trinite ====
Taty aoriana, tamin'ny taonjato faha-4, dia lanin'ny maro an'isa izaytamin'ireo nivory nandritra ny [[Konsily tao Nikea]] ny [[Tenim-pinoana|tenim-pinoan]]'ny [[Trinite]] izay mihevitra an'Andriamanitra ho tokana nefa manana persona telo, dia ny [[Andriamanitra Ray|Ray]] sy ny [[Andriamanitra Zanaka|Zanaka]] ary ny [[Fanahy Masina]]. Noraiketina tao amin'ny [[fanekem-pinoana nikeana]] izany sady nohamafisina tamin'ny [[konsily]] hafa taty aoriana koa. Andriamanitra ny Ray, Andriamanitraandriamanitra ny Zanaka, Andriamanitraandriamanitra ny Fanahy Masina, hoy izy ireo nefa tokana Andriamanitra. Ny tenim-pinoan'ny Trinite dia miaro ny maha tokana an'Andriamanitra sady mampivohitra ny fananan'io Andriamanitra io persona telo izay samy manana ny anjara asany tamin'ny [[Famoronana (finoana sy fedrà)|famoronana]] izao tontolo izao sy amin'ny famonjena ny olombelona.
 
Tsy mora ny mahazo ny tiana ho lazaina amin'ny hoe ''persona'' satria tsy azo lazaina tanteraka ho fomba fiseho samihafan'ilay Andriamanitra tokana izany araka ny hita amin'ny tantaran'ny fampanjakana ny tenim-pinoan'ny Trinite izay nanamelohana fampianarana maro toy ny [[modalisma]] sy ny [[doketisma]] ary ny maro hafa koa.
 
Niteraka ny fisamatsamahan'ny kristianisma nandritra ny tantarany hatramin'izao izany toe-javatra izany.
 
 
Ny [[Katolisisma|Katolika]] sy ny ankamaroan'ny [[Protestantisma|Protestanta]] ary ny [[Kristianisma ortodoksa|Ortodoksa]] dia mino ny Trinite.
 
==== Andriamanitra tsy Trinite ====
Tsy ny fiangonana kristiana rehetra no manaiky an'izany fiheverana an'i Jesosy sy ny Fanahy Masina ho Andriamanitra izany, satria maro ireo fiangonana [[Antitrinitarisma|manohitra ny Trinite]] ka mihevitra an'i Jesosy ho [[Mesia]] fotsiny fa tsy Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina ho hery entin'Andriamanitra miasa.
 
=== Andriamanitra, araka ny finoana silamo ===