Mosesy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy sns
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-20:
=== Ny fahaterahany ===
[[Sary:Moses - Alta-Tadema.jpg|vignette|269x269px|''Ny nahitana an'i Mosesy'' - nataon'i Sir Lawrence Alma-Tadema, taona 1904]]
Teraka tao Gosena i Mosesy. Zanak'i Amrama sy Iokebeda. Isan'ny fokon'i [[Levy]] izy. Tamin'ny fotoana nahaterahany dia nisy fandripahana ny zazalahy hebreo vao teraka. Natsipin-dreniny tany amoron'ny renirano Neily (na [[Nily]] (na Neily) ny lakan-kely zozoro nisy azy mba tsy ho fantatra ny maha zanaka hebreo azy (Eks. 2.4; Nom. 26.59). Rehefa tonga handro ny zanakavavin'i [[Farao]] dia nahita ilay zaza ka nampaka azy mba hatsangany ho zanany. Nataony hoe ''Mosesy'' ny anarany satria nalainy tamin'ny rano. Ny anabavin'i Mosesy izay nanara-maso azy teny ambony rano ihany no nalain'ilay zanakavavin'i Farao hitady vehivavy hebreo ho mpitaiza ilay zazakely. Nobeazina toy ny zanaka mpanjaka i Mosesy.
 
=== Ny fahalehibeazany ===
Rehefa lehibe i Mosesy dia nahafantatra ny tena firazanany. Nitsidika ny toerana niasan'ny iray firenena aminy izy ka tamin'izany no nahitany ny [[fanandevozana]] sy ny fampahoriana nahazo azy ireo. Namono egiptianaEgiptiana izay nampijaly [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] teo am-panompoana izy ka izany no nahatonga azy nandositra tany amin'ny tanin'ny Madianita. Tany amin'ny tany efitr'i [[Madiana]] i Mosesy no nifankahita tamin'ny mpisorona atao hoe Jetro (hebreo: ''Yiṯrō'') izay nanome azy ny zananivavy mba ho vadiny.
 
Indray andro raha nankeny amin'ny tendrombohitra [[Tendrombohitra Horeba|Horeba]] (atao hoe koa [[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|Sinay]]) izy hiandry ny biby fiompin-drafozany dia nahita ny [[Anjelin'Andriamanitra]] tao anaty lelafon'ny roimemy mirehitra nefa tsy nety levona. Avy amin'io roimemy io no nivoahan'ny feon' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] izay nanambara taminy ny asa tsy maintsy hataony. Naniraka azy Andriamanitra mba ho any amin'i [[Farao]] hanafaka ny vahoakany avy ao Egipta. Tamin'izany koa no nanambaràn'Andriamanitranahafantrany ny anaranyanaran' izayAndriamanitra niavian'ny anaran'Andriamanitra hoe ''IHVH'' ([[Yahweh|Iahveh]]).
 
=== Ny fanafahana ny Hebreo avy ao Egipta ===
Nandeha tany amin'i [[Farao]] i Mosesy hanafahana ny [[Zanak'i Israely]] avy ao Egipta sy hitondra azy ireo any amin'ny tany nampanantenaina azy, dia ny tany [[Kanana]]. Nanampy azy ny rahalahiny [[Arona]] (hebreo: ''Aharone'') sady nanao fahagagana maro izy hihainoan'i Farao azy izay nangatahany mba hamela ny [[Zanak'i Israely]] hankalaza ny [[Paska jiosy|Paska]] any an'efitra. Tsy nanaiky i Farao (Eks. 7. 8-13) sady vao mainka nanamafy ny fampahoriany ny Hebreo. Izany fandavana izany no niteraka ireo [[Loza folo tao Egipta|loza folo tao Egipta]] dia:
 
# ny niovan'ny ranon'i Nily ho [[ra]] (Eks. 7.14-23);
# ny [[sahona]] maro izay nameno ny tany (Eks. 7.26-29; 8.1-11);
# ny niovan'ny vovoka tamin'ny tany ho [[moka]] marobe (Eks. 6.12-15);
# ny nidiran'ny [[lalitra]] tsy hita isa tao an-tanàna (Eks. 8.16-28);
# ny nisian'ny areti-mandringana nahazo ny biby fiompy (Eks. 9.1-7);
# ny [[Vay (aretina)|vay]] izay nahazo ny olona sy ny biby fiompy (Eks. 9.8-12);
# ny [[havandra]] izay nandrava sy namono (Eks. 9.13-35);
# ny [[valala]] izay nandrakotra ny tany (Eks. 10.1-20);
# ny [[aizimpito]] naharitra telo andro (Eks. 10.21-28);
# ny nahafatesan'ny voalohan-teraky ny biby sy ny olona (Eks. 11.1-10; 12.29-32).
 
Andalana faha-44:
 
=== Ny fiampitana ny Ranomasina Mena sy ny efitr'i Sinay ===
Rehefa tonga teo akaikin'ny [[Ranomasina Mena]] ny Hebreo dia nahatazana ny miaramilan'i [[Farao]] nanenjika azy ireo. Io ranomasina io dia atao hoe ''Yayam-Souf'' "Ranomasin'ny Bararata" amin'ny teny hebreo. Tamin'izany no nanandratan'i Mosesy ny tanany hampisaraka ny ranomasina ho roa hahafahan'ny Hebreo miampita. Nanenjika avy ao aoriana ireo miaramila ireo nefa maty tao anaty ranomasina izay nikombona indray sy nanafotra azy ireo (Eks. 16.15-31).
[[Sary:The Brazen Serpent.jpg|vignette|''Ilay bibilava varahina'' , nataon'i Benjamin West]]
Rehefa tonga tao an-tany efitra ny Hebreo izay notarihin'i Mosesy dia nisedra ny olan'ny tsy fisian-kanina sy ny tsy fisian-drano ary ny fahafatesana vokatry ny kaikitry ny [[bibilava]]. Namaha izany olana izany Andriamanitra amin'ny fanomezana azy ireo ny mana sy ny papelika sy ny [[Menarana varahina|menarana varahina]] ary ny rano avy amin'ny vatolampy nokapohin'i Mosesy amin'ny tehiny.
 
=== Ny Fanekem-pihavanana tao amin'ny tendrobohitra Sinay ===
Telo volana taorian'ny nivoahana an'i Egipta dia tonga tao amin'ny tany efitr'i Sinay ny Hebreo. Navelan'i Mosesy tamin'i [[Arona]] rahalahiny ny vahoaka mba hiakarany any an-[[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|tendrombohitra Sinay]]. Afaka efapolo andro vao niverina i Mosesy nitondra ny [[Vatofisaka (fanoratana)|vatofisaka]] mirakitra ny [[Didy Folo]] nomen'Andriamanitra azy izay fototry ny Fanekem-pihavanana eo amin'Andriamanitra sy ny Hebreo. (Eks. 20.1-17; Deo. 5.6-21). Hitan'i Mosesy fany tsy ninofinoan'ny vahoaka an'Andriamanitra tamin'ny vahoakananamboaran' satriaizy nanamboatraireo sarin' ombilahy kely volamena hivavahanyhivavahana. (Eks. 32.1-6). Tezitra noho izany i Mosesy ka nazerany ho vaky ireo vatofisaka nisy ny Didy Folo ireo sady nodorany ilay sarin'ombilahy. Nangataka amin'Andriamanitra i Mosesy mba tsy handao ny vahoakany ka nohavaozina tany an-tendrombohitra indray ilay Fanekem-pihavanana. Nidina avy any i Mosesy rehefa afaka efapolo andro nitondra vato fisakavatofisaka hafa misy ny Didy Folo (Eks. 34.1-28).
 
=== Tsy tafita tany Kanana i Mosesy ===
Nandeha tao amin'ny tany efitra mandritra ny efapolo taona ny [[Zanak'i Israely]] vao izay tonga teo akaikin'i [[Jeriko]]. Napetrak'i Mosesy tamin'i [[Josoa]] (na Josoe) ny fitarihana ny Hebreo sady natolony ny loholona ireo vato fisaka mba hahafahan'izy ireo manohy ny fampianarana sy ny fampanarahanafampitandremana ny [[Lalàn'i Mosesy|Lalàna]]. Maty teo an-tampon'ny tendrombohitra Nebo i Mosesy rehefa feno 120 taona.
 
=== Ny Torah ===
Ny [[Torah]] (midika hoe "Lalàna"), izay tsy inona fa ny fitambaran'ny boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly, dia ataon'ny [[lovantsofina]] fa nosoratan'i Mosesy ka atao hoe "boky dimin'i Mosesy" na [[Pentateoka]]. Araka ny fitsikerana ny lovantsofina ankehitriny dia tsy i Mosesy no mpanoratra azy ireo.
 
== Jereo koa ==