Katekisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fampianarana kristiana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''katekisma''' dia fampianarana ny tahirim-pampianaram-pinoana kristiana izay ampiasaina ho fitaovana fototra amin'ny fitaizana ny ankizy sy ny tanora ary ny olon-dehibe mba hahalala ny hafatra kristiana sy mba hiaina araka ny maha kristiana azy.
 
Ny teny hoe ''katekisma'' na ''ketesisy'' dia avy amin'ny [[matoanteny]] [[Fiteny grika|grika]] hoe ''κατηχεĩν'' / ''katékhein'' (ara-bakiteny: "mampitombo faneno") izay midika hoe "mampianatra" sy "mampahalala vaovao". Ny matoanteny hita ao amin'ny soratr'i [[Paoly (apostoly)|Paoly]] sy ao amin'ny [[Evanjelin'i Lioka]]. Hatramin'ny andiany faharoa tamin'ireo fiangonana kristiana dia nahatsapa ny filana fampianarana ny Kristiana mba handalinana ny finoana azo avy amin'ny fiovam-pinoana voalohany. Fanambaràna ny foto-javatra ao amin'ny foto-pampianarana kristiana izany: ny foto-pinoana, ny [[sakramenta]], ny fitondrantena ary ny [[Vavaka nampianarin'ny Tompo]].
 
Ny Fanavaozam-piangonana protestanta dia namorona ny katekisma. Isan'izany ny ''Ketekisma Kely'' sy ny ''Katekisma Lehibe'' nosoratan'i [[Martin Lotera]] tamin'ny taona 1529 (ho an'ny [[Loteranisma|Loterana]]) sy ny ''Katekisman'i Heidelberg'' ho an'ny Fiangonana nohavaozina ary taty aoriana ny katekisman'i Calvin tamin'ny taona 1538. Fanambaràna ny foto-javatra ao amin'ny foto-pampianarana kristiana izany: ny foto-pinoana, ny [[sakramenta]], ny fitondrantena ary ny [[Vavaka nampianarin'ny Tompo]]. Nisy zavatra tsapan'i Lotera teo amin'ny Kristiana notarihiny, izay azo ampiharina koa amin'ny Katolika: ny Kristiana tamin'ny taonjato faha-16 dia niaina tamin'ny finoana, namonjy fiangonana, nanana fomba fiaina ara-pitondrantena, nanao tonom-bavaka, nefa tsy nahalala izay nataony, tsy nanana teny ho enti-manazava ny finoany izy ireo. Koa ny katekisma no nameno izany banga izany.
 
Ny boky fianarana katekisma voasoratra voaolohany indrindra anefa dia ilay nosoratan'i Alkoino tamin'ny taonjato faha-8. Narakarahin'ny fanoratana katekisma maro izany nandritra ny taonjato faha-9 ka isan'izany ny an'i Noktetr Labeo tao Saint-Gall any Soisa, sy ny an'i Otfried tany Weissenbourg any any Alzasy.
 
== Ny katekisman'ny fiangonana protestanta ==
Ny [[Fanavaozam-piangonana]] (na Reformasiona) dia niteraka famoronana katekisma maro. Isan'izany ny ''Ketekisma Kely'' sy ny ''Katekisma Lehibe'' nosoratan'i [[Martin Lotera]] tamin'ny taona 1529 (ho an'ny [[Loteranisma|Loterana]]) sy ny ''Katekisman'i Heidelberg'' ho an'ny [[Fiangonana nohavaozina]] ary taty aoriana ny katekisman'i Calvin tamin'ny taona 1538.
 
=== Ny katekisman'ny Fiangonana loterana ===
Tamin'ny fiantombohan'ny Reformasiona dia nanjary nihananan-danja ny katekisma noho ny fanizingizinan'i Lotera ny amin'ny tokony hanaovana fampianarana ara-pinoana atokana ho an'ny zaza madinika. Taorian'ny famoahana ny ''Fanazavana fohy ny didy folo sy ny Foto-pinoana ary ny Rainay'' nosoratan'i Lotera tamin'ny taona 1520'','' dia maro ny katekisma nomanin'ny Protestanta. Ny famangian'i Lotera ireo fiangonana tany Saksonia anefa tamin'ny taona 1528 niteraka ny fanomanana ny ''Katekisma Lehibe'' sy ny ''Katekisma Kely'' tamin'ny taona 1529. Ity farany ity dia nosoratan'i Lotera manokana ho an'ny raim-pianakaviana sy ny pastora mba hanampiana azy ireo amin'ny fampianarana ny zaza.
 
=== Ny kekisman'ny Fiangonana nohavaozina ===
Ny nalaza indrindra tamin'ny katekisman'ny [[Fiangonana nohavaozina]] dia ny ''Katekisman'i Jeneva'' sy ny ''Katekisman'i'' ''Heidelberg,'' ary koa ny an'i Johannes Häusgen (izay atao hoe koa Johannes Oecolampad) izay teolojiana alemàna tao ''Basel'' (frantsay: ''Bâle'') tamin'ny taona 1526, ary ny an'i Heinrich Bullinger tao Zurich any Soisa tamin'ny taona 1555.
 
Ny ''Katekisma Kely'' sy ny ''Katekisma Lehibe'' tao Jeneva dia nosoratan'i Jean Calvin. Ny ''Katekisma Kely'' dia navoaka amin'ny teny frantsay tamin'ny taona 1537, ahitana fanontaniana arahim-baliny. Ny ''Katekisma Kely'' kosa dia navoaka amin'ny teny frantsay tamin'ny taona 1541 na 1542.
 
Ny ''Katekisman'i'' ''Heidelberg'' dia nosoratan'ny teolojiana alemàna Caspar Olevian sy Zacharias Ursinus tao Heidelberg araka ny fiangavian'ny Friedrich III (frantsay: ''Frédéric III du Palatinat''). Navoaka tamin'ny taona 1563 izany. Tamin'ny taona 1619 no nanombohan'ny Fiangonana nohavaozina nampiasa azy.
 
=== Ny Fiangonan'i Fausto Sozzini ===
Ireo foto-pampianaram-pinoana protestanta manaraka ny fampianaran'i Fausto Sozzini ([[sotsinianisma]]) dia hita ao amin'ny ''Katekisma Lehibe'' sy ny ''Katekisma Kely'' rakoviana (nosoratana tao Raków any [[Polonia]] tamin'ny taona 1605) izay mandà ny fampianarana ny amin'ny [[Trinite]].
 
=== Ny katekisman'ny Fiangonan'ny Sakaiza ===
Ankoatry katekisma voasoratra tamin'ny taona 1660 izay miendrika resaka ifamalian'ny ray sy ny zanaka sady heverina ho nosoratan'i George Fox, ilay nanorina ny [[Fiangonan'ny Sakaiza]] (na Frenjy na Koakera), dia manana katekisma nosoratan'i Robert Barclay tamin'ny taona 1673 koa ny Sakaiza.
 
=== Ny katekisman'ny Fiangonana presbiteriana ===
Ny katekisman'ny [[Fiangonan'i Angletera]] dia lahatsoratra voafintina natsofoka tao amin'ny ''Book of Common Prayer'' ("Bokin'ny vavaka iombonana") izay natonta voalohany tamin'ny andron'i Edward VI (nanjaka teo anelanelan'ny taona 1547 sy 1553) nefa natao ho mirakitra fampianaran-diso izany tamin'ny andron'i Mary I (nanjaka teo anelanelan'ny taona 1553 sy 1558). Nisy fanitsiana natao matetika ilay katekisma teo anelanelan'ny taona 1594 sy 1661. Nisy karazany roa, araka ny mahazatra izany, ka nahitana ''Katekisma Kely'' sy ''Katekisma Lehibe'' izay lasa katekisma filamatra teo amin'ny [[Fiangonana presbiteriana]], miaraka amin'ny ''Fiekem-pinoan'i Westminster,'' izay nangonina tao Westminster teo anelanelan'ny taona 1645 sy 1652.
 
== Ny katekisma katolika ==
Ny Katolika dia nanaraka izany zavatra nataon'i Lotera izany ka namokatra katekisma, dia ny ''Katekisman'i Canisius'' tamin'ny taona 1555 nandritra ny [[Konsily tao Trento]] (na Tredento), ary ny ''Katekisman'i Bellarmin'' sy ny ''Katekisman'ny Konsilin'i Trento'') taorian'ny Konsily tao Trento, sy katekisma maro hafa koa, ka ny [[pretra]] tamin'izany dia tsy maintsy mampianatra ny ankizy ao amin'ny paroasiny.