Sola Scriptura: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-1:
Ny andian-[[Fiteny latina|teny latina]] hoe '''''Sola scriptura''''', izay midika hoe "amin'ny alalan'ny Soratra irery" sady adikan'ny teolojiana protestanta miteny malagasy amin'ny hoe "'''Soratra Masina irery ihany'''" dia enti-manondro ilay ainga fototra protestanta izay milaza fa ny [[Baiboly]] no fahefana fara tampony sady tokana izay tsy maintsy ankatoavin'ny Kristiana sy ny Fiangonana amin'ny finoany sy ny fiainana maha Kristiana azy. Misy dimy ireo andian-teny manomboka amin'ny teny hoe ''[[Solae dimy|Sola]]'' ka iray amin'izany ny "Sola scriptura".
 
Araka io ainga fototra io dia ny [[Baiboly]] no mirakitra ny tenin'Andriamanitra ka izy irery ihany no manana fahefana teolojika sady mpanoro lalana ho an'ny finoana sy ny fiainana. Izany no fintinina amin'ny hoe "ny Soratra Masina irery ihany". Ny toriteny ataon'ny mpanao raharaham-piangonana voaofana, indrindra voaofan'ny [[Fanahy Masina]], no manazava izany [[Soratra Masina]] izany. Amin'ny alalan'ny fijoroana ho vavolombelona ampitainy no amaritany fitsipi-piainana izay ahatakarana sy iasan'ny andraikitry ny tsirairay.