Epistily ho an' ny Rômana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-8:
 
== Famintinana ==
Nanoratra ity taratasy ity i Paoly mba hampahafantarany ny tenany sy ny hafany amin'ny fiangonana any Roma. Mbola tsy nandeha tany amin'ity tanàna malaza ity izy, nefa maro ny Kristiana izay efa fantany anarana sady maniry ny hamangy azy ireo tsy ho ela izy (Rom. 15.22 - 16.21). Manambara amin'izy ireo i Paoly fa apostoly voafidy hitory ny vaovao mahafaly izy. Ka ny hafatra ambarany dia ny hoe: "Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny [[Jiosy]] aloha, dia vao amin'ny [[Jentilisa]] koa." (Rom. 1.16). Amin'ny alalan'ny finoana an'i [[Jesosy|Jesosy Kristy]] fa tsy amin'ny alalan'ny [[Lalàn'i Mosesy|Lalàna]] no hahafahan'Andriamanitra mandray ny olona na Jiosy izy na Jentilisa/Jentily (Rom. 3.21-24; 4.25). Mampahatsiahy ny mpamaky i Paoly fa efa nanota avokoa ny olona rehetra sady tsy manana ny voninahitr'Andriamanitra (Rom. 3.23).
 
Mamaly izao fanontaniana izao ity epistily ity: Ahoana no haneken'Andriamanitra antsika''?'' Satria ny Jiosy tsy nanaja ny Lalàn'i Mosesy; ary ny Jentilisa tsy nanaiky hino izay zavatra lazaina ny amin'Andriamanitra na dia efa niteny taminy tamin'ny fomba maro samihafa aza Andriamanitra (Rom. 1.18 - 3.20).