Antiôkôsy III Megasy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
I '''Antiokosy III Megasy''' dia mpanjaka [[seleokida]] nanapaka an'i Siria tamin'ny taona 223 hatramin'ny 187 tal. J.K. izay nandimby ny rahalahiny [[Seleokosy III Sotera|Seleokosy III]].
 
Ny mpanjaka [[Seleokosy II Kalinikosy|Seleokosy II]] no rain'i Antiokosy III. Teraka tamin'ny taona 242 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 187 tal. J.K.. I Laodike II no reniny ary i Laodike III no vadiny. Niteraka an'i Seleokosy IV, i [[Antiokosy IV Epifanesy|Antiokosy IV]], i [[Laodike IV]] (izay vady nifandimbiasan'ny anadahiny telo), i Kleopatra I (izay lasa mpanjakavavin'i Egipta taty aoriana) ary i Antiokisy III izy.
 
Lasa firenena nanompo azy i Partia<ref><small>I Partia (grika: ''Παρθία'' / ''Parthia'') dia faritra tamin'ny [[Andro Taloha]] tao avaratra antsinanan'ireo havoana iraniana.</small></ref> sy i Baktriana<ref><small>I Bakrtiana na Baktria (grika: ''Βακτριανὴ'' / ''Baktrianê'') dia faritra nisabaka teo anelabelan'ireto firenena ankehitriny ireto, dia i Afganistàna sy i Tadjikistàna ary i Ozbekistàna.</small></ref> ary niady amin'ny farao Ptolemeosy V izy. Azony i [[Palestina]] iray manontolo sy i [[Libàna tamin'ny Andro Taloha|Libàna]] tamin'ny taona 198 tal. J.K. Taty aoriana dia niady tamin'ny Romana izay nandresy azy tamin'ny taona 191 tal. J.K. tao Termopily sy tamin'ny taona 190 tal. J.K. tao Magnesia (na Manezia)<ref><small>I Magnesia (na Manezia) dia tanàna tao Azia Minora taloha izay mifanandrify amin'ny faritanin'i Manisa ao amin'ny tendrony andrefan'ny faritra aziatikan'i [[Torkia]] ankehitriny, mikasika ny Ranomasina Egea.</small></ref> izy. Lasan'ny Romana ny tany nofeheziny tao andrefan'i Taorosy sady nandoa hetra tamin'ny Romana izy. Namerina ny faritry ny fanjakana seleokida i Antiokosy III tamin'ny fiantombohan'ny fanapahany nefa nihena ny heriny tany atsinanan'ny [[Ranomasina Mediteranea]].