Antiôkôsy III Megasy: Fahasamihafan'ny versiona
Contenu supprimé Contenu ajouté
Fanamarihana |
Aucun résumé des modifications |
||
Andalana faha-6:
Lasa firenena nanompo azy i Partia<ref><small>I Partia (grika: ''Παρθία'' / ''Parthia'') dia faritra tamin'ny [[Andro Taloha]] tao avaratra antsinanan'ireo havoana iraniana.</small></ref> sy i Baktriana<ref><small>I Bakrtiana na Baktria (grika: ''Βακτριανὴ'' / ''Baktrianê'') dia faritra nisabaka teo anelabelan'ireto firenena ankehitriny ireto, dia i Afganistàna sy i Tadjikistàna ary i Ozbekistàna.</small></ref> ary niady amin'ny farao Ptolemeosy V izy. Azony i [[Palestina]] iray manontolo sy i [[Libàna tamin'ny Andro Taloha|Libàna]] tamin'ny taona 198 tal. J.K. Taty aoriana dia niady tamin'ny Romana izay nandresy azy tamin'ny taona 191 tal. J.K. tao Termopily sy tamin'ny taona 190 tal. J.K. tao Magnesia (na Manezia)<ref><small>I Magnesia (na Manezia) dia tanàna tao Azia Minora taloha izay mifanandrify amin'ny faritanin'i Manisa ao amin'ny tendrony andrefan'ny faritra aziatikan'i [[Torkia]] ankehitriny, mikasika ny Ranomasina Egea.</small></ref> izy. Lasan'ny Romana ny tany nofeheziny tao andrefan'i Taorosy sady nandoa hetra tamin'ny Romana izy. Namerina ny faritry ny fanjakana seleokida i Antiokosy III tamin'ny fiantombohan'ny fanapahany nefa nihena ny heriny tany atsinanan'ny [[Ranomasina Mediteranea]].
Saika handroba ny herena ao amin'ny tempoly tao Elimaida (na Elimaisy)<ref><small>I Alimaida na Alimaisy na Elimaia (grika: ''Έλυμαΐς'' na ''Έλυμαΐα'' / ''Elumaia'' na ''Elumaei'') dia faritra tao amin'ny tapany atsimon'i Iràna ankehitriny, izay mifanandrify amin'ny faritanin'i Kozistàna ao Iràna.</small></ref> i Antiokosy III, mba handoavany onitra hono, nefa nikomy ny mponina tao amin'io tanàna io ka namono azy tahaka ny famono jiolahy tamin'ny taona 187 tal. J.K.. I [[Seleokosy IV Filopatora|Seleokosy IV]] no nandimby azy teo amin'ny
== Jereo koa ==
* [[Seleokosy I Nikatora]], i [[Antiokosy I Sotera]], i [[Antiokosy II Teosy]], i [[Seleokosy II Kalinikosy]], i [[Antiokosy III Megasy]] ary i [[Antiokosy IV Epifanesy]].
== Loharano sy fahamarihana ==
|