Ptôlemaiôsy XI: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Olona tamin'ny Andro Taloha
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
I '''Ptolemaiosy XI''' na '''Ptolemaiosy XI Aleksandra II''' dia mpanjakan'i Egipta avy tamin'ny fianakaviana lagida izay nanapaka tamin'ny taona 80 taor. J.K. Zanak'i [[Ptolemaiosy X Aleksandra I]] izy ary tsy fantatra ny reniny, nefa misy mpahay tantara milaza fa i Kleopatra V Selena I no reniny. Teraka tamin'ny taona 105 na 104 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 80 tal. J.K. Atao hoe ''Πτολεμαῖος Ἀλέξανδρος'' / ''Ptolemaĩos Aléxandros'' io anarany io amin'ny teny grika.
 
Nirahina tany Kosy izy tamin'ny taona 103 tal. J.K. ka nosamborin'i Mitridata VI mpanjakan'i Ponto niaraka tamin'i zana-drahalahin-drainy Ptolemaiosy mpanjakan'i [[Kiprosy]] tamin'i Mitridata naka ny nosy Kiprosy tamin'ny taona 88 tal. J.K. Nandritra ny fotoana nahavoafonja azy dia notezaina tao amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Ponto izy ka afaka nifampiresaka tamin'i [[Mitridatesy VI any Pontosy|Mitridata VI]] sy i Sila (na Sola; latina: ''Lucius Cornelius Sulla'') mba handositra sy hikambana ami'ity farany. Rehefa maty i [[Ptolemaoisy IX Sotera II Latirosy]] dia izy no tokony handova azy eo amin'ny fanjakan'i Egipta. Tamin'ny fiantombnohan'ny taona 80 tal. J.K. dia noteren'i Sila ho mpankakan'ny mponin'i Aleksandria izy.
 
<br />