Ptôlemaiôsy VIII: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Ptolemaiosy VIII Evergetesy II Trifona ho Ptolemaiosy VIII i Thelezifor
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Ptolemy VIII.jpg|vignette|309x309px|Vola misy ny sarin'i Ptolemaiosy VIII]]
I '''Ptolemaiosy VIII''' na '''Ptolemaiosy VIII Evergetesy II Trifona''' na '''Ptolemaiosy Fiskona''' dia mpanjakan'i Egipta tao amin'ny [[dinastia lagida]]. Niara-nanjaka tamin'i [[Ptolemaiosy VI Filometora]] izy teo anelanelan'ny taona 170 sy 163 tal. J.K., avy eo lasa mpanjakan'i Kirenaika tamin'ny taona 163 hatramin'ny taona 145 tal. J.K., avy eo indray lasa mpanjakan'i Egipta tamin'ny taona 145 hatramin'ny 116 tal. J.K. Napetrak'ireo Aleksandrina teo amin'ny fitondrana izy tamin'ny taona 170 rehefa nogadrain'i [[Antiokosy IV Epifanesy]] (mpanjaka [[seleokida]]) i [[Ptolemaiosy VI]] rahalahiny. Araka ny mpahay tantara saany dia izy no Ptolemaoisy nitondra ny laharana faha-VII ary ny zana-drahalahiny nitondra ny laharana faha-VIII.
 
Zanak'i [[Ptolemaiosy V Epifanesy]] tamin'i Kleopatra I Sira izy. Tsy fantatra ny fotoana nahaterahany, mety tamin'ny 186 na 184 na 183 tal. J.K. izany. Amin'ny teny grika dia tao hoe ''Πτολεμαῖος Εὐεργέτης Τρύφων'' / ''Ptolemaĩos Euergétēs Tryphon'' na ''Πτολεμαῖος'' Φύσκων / ''Ptolemaĩos Phuskon'' izy, ka ny hoe ''Εὐεργέτης Τρύφων'' dia midika hoe "Mpanao soa Mamiratra" ary ny hoe ''Phuskon'' dia anaram-botsotra midika hoe "Be kibo" na "Matavy", noho izy matavy be.