Bokin' ny Fahendrena: Fahasamihafan'ny versiona

tsy misy ambangovangom-panovana
(Fanitsiana tsipelina sns)
Aucun résumé des modifications
 
=== Fankalazana ny Fahendrena ===
Ao amin’ny fizaràna faharoa, dia misy resaka manokana ataon’ny mpanoratra ho an’ny mpitondra vahoaka. Noho ny halehiben’ny andraikiny dia ho lehibe kokoa ny fitsarana miandry azy (Fah. 6.1-10) ; noho izany, tokony hiezaka hahazo ny Fahendrena izy ireo (Fah. 6.11-27). Ny ohatra velona amin’izany dia ny mpanjaka Salomona (Fah. 7.1-12) izay nisehoan’ny voninahitry ny famirapiratan’ny Fahendrena (Fah. 7.13-21). Ambaran’ny mpanoratra amin’ny antsipiriany ny amin’ny Fahendrena (Fah. 7.13-8.20) sy ny fomba hananana azy (Fah. 8.21-9.19).
 
=== Ny Fahendrena sy ny tantaram-pamonjena ===
Ao amin’ny fizaràna fahatelo dia fandalinana ny amin’i [[Solomona|Salomona]] ka iresahana ny Fanambaràn-tenan’Andriamanitra, hatramin’ny andron’i [[Adama]], izay nisehoan’ny fanamarinana ireo fampianarana sy famporisihana. Izany dia tohin’ny ao amin’ny toko faha-9 izay ahitana vavaka sy fiderana an’Andriamanitra. Mamerina ny tantaran’ny Adama sy i [[Noa|Noe]] sy i [[Abrahama]] sy i [[Lota]] sy i [[Jakoba]] sy i [[Josefa]] sy i [[Mosesy|Môizy]] (Fah. 10), avy eo dia miresaka ny zava-nanjo ny [[Zanak'i Israely|Zanak’i Israely]] tao Ejipta sy ny nivoahany avy ao (Fah. 11) ny mpanoratra. Voaresaka koa ny nanjo ireo KananitaKanaanita (Fah. 12) sy ny hadalana ary ny fanompoan-tsampy izay nisy tamin’izany (Fah. 13 – 15). Avy eo ny boky miverina amin’ny tantaran’ny Zanak’i Israely tao an-tany efitra (Fah. 16). Mamisavisa ireo loza nahazo ny EjiptianaEjipsiana koa izy ka atombony amin’ny aizim-pito tao amin’ireo EjiptianaEjipsiana izay nifanohitra tamin’ny fahazavana tao amin’ireo [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] izany (Fah. 17), avy eo ny famonoana ny voalohan-teraky ny EjiptianaEjipsiana (Fah. 18.1-9), ary farany ny niampitan’ny Zanak’i Israely ny [[Ranomasina Mena]] sy ny naharingananan’ny tafiky ny Farao[[Faraona]] (Fah. 19). Izany rehetra izany dia asehon'ny mpanoratra fa manamarina ny tokony hikatsahana ny Fahendrena sahala amin'ny nataon'i Salomona.
 
== Jereo koa: ==
28 713

modifications