Môrdekay: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Olona tantaraina ao amin'ny Baiboly
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
 
 
I '''Môrdekay''' na '''Mârdôkea''' dia olona resahina ao amin'ny [[Bokin'i Estera]], rahalahin-drain'i [[Estera (ao amin'ny Baiboly)|Estera]] na zanaky ny mpirahalahy amin-drainy, zanak'i Jairo avy amin'ny [[fokon'i Benjamina]]. Atao hoe מָרְדְּכַי / ''Mordĕkay'' izy amin'ny [[teny hebreo]] fa ''Μαρδοχαῖος / Mardokhaîos'' kosa amin'ny [[Fiteny grika|teny grika]]. I Mordekay dia isan'ny taranaka fahefatry ny [[Jiosy]] (Jodeana) natao [[Fahababoana tany Babilona|sesitany tany Babilona]] tamin'ny andron'i [[Nebokadnezara]] (na Nabokôdônôzôra).
 
Nonina tao amin'ny tanànan'i Sosàna na Soza tao [[Persia]] niaraka tamin'i Estera, izay zana-drahalahiny na mpirahalahy ray aminy sady notezainy sahala amin'ny zanany vavy, i Mordekay. Tafiditra ho isan'ireo vehivavy mpanaraka ny mpanjaka [[Ahasoerosy]] i Estera ka kasa vadin'ny mpanjaka taty aoriana. Nahazo anjara raharaha tao an-dapa i Môrdekay, ka nahatsikaritra ny tetik'ireo nikasa hamono ny mpanjaka. Tsy nahomby ilay tetika ka nosoratana tao amin'ny boky firaketan'ny mpanjaka izany.