Tetiandro hebreo: Fahasamihafan'ny versiona

Rohy
Aucun résumé des modifications
(Rohy)
== Ny fety jiosy araka ny tetiandro hebreo ==
Maromaro ireo andro ankalazain'ny Jiosy ka ny sasany efa natao araka ny voasoratra ao amin'y [[Tanakh]] fa ny sisa niforona taty aoriana. Ireto avy ireo fety jiosy ankalazaina isan-taona:
* Ny ''[[Rosh ha-Shana]]'' (hebreo: ''רֹאשׁ הַשָּׁנָה'' "fiantombohan'ny taona" na יוֹם תְּרוּעָה‬ /''Yom Teruah'' "androm-piantsoana"); ankalazana ny taom-baovao ivelan'ny fivavahana; ankalazaina amin'ny 1 sy 2 ''Tishri'' (ny taom-baovaom-pivavahana dia ny 1 ''Nisan'');
* Ny ''[[Yom Kippur]]'' (hebreo: ''יוֹם כִּיפּוּר''‬ na ''יום הכיפורים'' / ''Yom ha-Kippurim'' "andron'ny famelan-keloka") anaovana fifadian-kanina sy vavaka be; tanterahina amin'ny 10 ''Tishri'';
* Ny ''[[Sukkot]]'' (hebreo: חַג הַסֻּכּוֹת / ''Hag ha-Sukkot'' "fetin'ny trano lay" na "fetin'ny tabernakely"); ahatsiarovana an-kafaliana ny nanampian'Andriamanitra ny [[Zanak'i Israely|Zanak'i Isiraely]] tamin'ny nivoahany avy any Ejipta sy iravoravoana amin'ny fahataperan'ny tsingerin'ny fotoam-pambolena amin'ny taona; ankalazaina manomboka amin'y 15 hatramin'ny 21 (na 22) ''Tishri'';
* Ny ''[[Shemini Atseret|Shemini]] Atseret'' (hebreo:שְׁמִינִי עֲצֶרֶת‬ "valo andro fivoriana" na ''יּוֹם הַשְּׁמִינִי עֲצֶרֶת'' / ''Yom ha-Shemini Atseret'' "fetim-pamaranana amin'ny faha-valo andro"); anombohan'ny fotoana irotsahan'ny rononorana ao Israely; ankalazaina amin'ny 22 ''Tishri'';
* Ny ''[[Sim'hat Torah|Simkhat Torah]]'' (hebreo: שמחת תורה '''/''' "hafalian'ny Lalàna"); ankalazana ny [[Torah]] ("Lalàna") ka itondrana am-pilaharana ny horonam-boky mirakitra azy; tanterahina amin'ny 22 sy 23 ''Tishri'';
* Ny ''[[Khanukka]]'' (hebreo: חג החנוכה / ''Hag ha-Khanukka'' "fetin'ny fanorenana"); ahatsiarovana ny fitokanana indray ny alitara fanaovam-panatira ao amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] faharoa ao Jerosalema, tamin'ny fiverenana amin'ny fanompoam-pivavahana jiosy, telo taona taorian'ny nandraran'i Antiokosy IV (Seleokida) an'izany.
* manomboka amin'ny 25 ''Kislev'' hatramin'ny 2 ''Tevet'';
* Ny ''[[Tu bi-Shevat]]'' (hebreo: ט"ו בִּשְׁבָט na חֲמִשָּׁה עָשָׂר בִּשְׁבָט / "dimy ambin'ny folo andron'ny Shevat"); taom-baovaon'ny hazo; ankalazaina amin'ny 15 Shevat;
* Ny ''[[Purim]]'' (hebreo: פּוּרִים / ''He-Purim''); ahatsiarivana ny nanavotan'i [[Estera (ao amin'ny Baiboly)|Estera]] ny Jiosy tamin'ny fanenjehan'i Hamana; ankalazaina amin'ny 14 (sy 15) ''Adar'';
* Ny ''[[Pesakh]]'' (hebreo: פֶּסַח) io no [[Paska jiosy]]; ahatsiarovana ny nandalovan'ny fahafatesana eny ambonin'ny tranon'ireo Jiosy tany Ejipta ka tsy nahafaty ny voalohan-terany sady ahatsiarovana koa ny fivoahan'ny razany avy tamin'ny fanandevozana tany Ejipta; ankalazina manomboka amin'ny 15 hatramin'ny 22 ''Nisan'';
* Ny ''Yom ha-Shoah'' (hebreo: יום השואה "andron'ny [[Shoa]]"); ahatsiarovana ny fandripahana [[Jiosy]] nataon'ny fitondran'i Hitler; ankalazaina amin'ny 28 ''Nisan'' izany;
* Ny ''Lag baOmer'' (hebreo: לַ״ג בָּעוֹמֶר‎‎ "telo amby telopolo andro ao amin'ny omera") ankalazaina amin'ny 18 ''Iyyar'';
* Ny ''Yom Yerushalayim'' (hebreo: יום ירושלים "andron'i Jerosalema"); ahatsiarovana ny fanafahana sy ny nahazoan'ny tafika israeliana an'i Jerosalema tamin'ny taona 7 Jona 1967 (28 Iyyar taona 5727) amin'ny 28 ''Iyyar'';
* Ny ''[[Shavuot]]'' (hebreo: שבועות "herinandro") ankalazana ny fijinjana ny [[varimbazaha]] sy ahatsiarovana ny nanomezan'Andriamanitra ny Torah tany an-tendrombohitra Sinay; ankalazaina amin'ny 6 ''Sivan''.
 
== Jereo koa: ==
28 220

modifications