Nevi'im: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''Nevi'im''' na '''Nebi'im''' ("mpaminany") dia ilazàna ireo boky izay mamorona ny fizaràna faharoa ao amin’ny Baiboly hebreo (atao hoe [[Tanakh]]) manomboka eo amin’ny [[Bokin'i Josoa|Bokin’i Josoa]] ka miafara amin’ny [[Bokin'i Malakia|Bokin’i Malakia]]. Ny fizaràna atao hoe [[Torah]] no eo alohany fa ny fizaràna atao hoe [[Ketuvim]] koasa no ao aoriany. Tsy afangaro amin'ny lazain'ny Kristiana hoe "[[Bokin'ny mpaminany (Baiboly)|bokin'ny mpaminany]]" ny "Mpaminany" na "Nevi'im" ao amin'ny [[Baiboly hebreo]].
 
== Fiforonan-teny ==
Andalana faha-9:
=== Ny Nevi’im rishonim na Mpaminany taloha ===
Ny Nevi’im rishonim dia ireo boky sokajîn’ny Kristiana ho [[Boky ara-tantara (Baiboly)|boky ara-tantara]]. Misy boky efatra ny ao amin'ny Nevi'im rishonim dia ireto avy:
* Sefer Yehoshua (ספר יהושע‎ ) na Yehoshua : [[Bokin'i Josoa|Josoa]]
 
* Sefer Shoftim (ספר שופטים) na Shoftim : [[Bokin'ny Mpitsara|Mpitsara]]
 
* Sefer Shemuel (ספר ''שמואל'') na Shemuel : [[Boky voalohan'i Samoela|Samoela voalohany]] sy [[Boky faharoan’i Samoela|Samoela faharoa]]
 
* Sefer Melakhim (ספר מלכים) na Melakhim : [[Boky voalohan'ny Mpanjaka|Mpanjaka voalohany]] sy [[Boky faharoan'ny Mpanjaka|Mpanjaka faharoa]]
 
Marihina fa tsy misaraka ho boky roa ireo [[Bokin'ny Mpanjaka|Bokin’ny Mpajaka]] ao amin’ny Baiboly hebreo, torak'izany koa ny [[Bokin'i Samoela]].
Andalana faha-21:
=== Ny Nevi'im aharonim na Mpaminany taoriana. ===
Ny bokin'ny mpaminany sisa rehetra dia ao amin'ny vondrona atao hoe ''Nevi'im aharonim''. Ny Kristiana dia manasokajy azy ireo ao amin’ny atao hoe [[Bokin'ny mpaminany (Baiboly)|bokin’ny mpaminany]], nefa tsy ny bokin'ny mpaminany rehetra no isan'ny Nevi'im aharonim, ohatra amin'izany ny [[Bokin'i Daniela]] izay voasokajy ao amin'ny [[Ketuvim]] ("soratra"). Miisa efatra ny boki’ireo mpaminany taoriana, dia ireto avy:
* Sefer Yeshayahu (ספר ישעיהו) na Yeshayahu : [[Bokin’i Isaia|Isaia]]
 
* Sefer Yrmeyahu ("bokin'iספר Jeremià"יִרְמְיָהוּ) na Yrmeyahu : [[Bokin'i Jeremia|Jeremia]]
 
* Sefer Yehezkael ("bokin'iספר Ezekiela"יחזקאל) na Yehezkael : [[Bokin'i Ezekiela|Ezekiela]]
 
* Trei Assar (תרי עשר “[[Bokin'ny Mpaminany 12|mpaminany madinika roa ambin’ny folo]]”)
 
Ireo mpaminany taoriana telo voalohany dia atao hoe “mpaminany lehibe”. Ny ''Trei Assar'' dia manambatra ireo mpaminany miisa roa ambin’ny folo atao hoe "mpaminany madinika" – dia ireto avy: Sefer Hoshea (ספר הושע) ([[Bokin'i Hosea|Hosea]]), Sefer Yo'el (ספר יואל) ([[Bokin'i Joela|Joela]]), Sefer Amos (ספר עמוס) ([[Bokin'i Amosa|Amosa]]), Sefer Ovadiyah (ספר עובדיה) ([[Bokin'i Obadia|Obadia]]), Sefer Yohnah (ספר יונה) ([[Bokin'i Jona|Jona]]), Sefer Mikhah (ספר מיכה) ([[Bokin'i Mika|Mika]]), Sefer Nahum (ספר נחום) ([[Bokin'i Nahoma|Nahoma]]), Sefer 'Havakuk (ספר חבקוק) ([[Bokin'i Habakoka|Habakoka]]), Sefer Tsefaniyah (ספר צפניה) ([[Bokin'i Zefania|Zefania]]), Sefer Haggai (ספר חגי) ([[Bokin'i Hagay|Hagay]]), Sefer Zekhariyah (ספר זכריה) ([[Bokin'i Zakaria|Zakaria]]) ary Sefer Malakhi (ספר מלאכי) ([[Bokin'i Malakia|Malakia]]).
 
== Jereo koa: ==