Koakerisma: Fahasamihafan'ny versiona
Contenu supprimé Contenu ajouté
kAucun résumé des modifications Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday |
Aucun résumé des modifications |
||
Andalana faha-1:
Ny '''[[Koakerisma]]''' na [[Koakerisma|'''Fikambanan'ny Sakaiza''']] na [[Koakerisma|'''Fiangonan'ny''' '''Sakaiza''']] dia fihetsiketsehana na fikambanana ara-pinoana niorina tao [[Angletera]] tamin'ny taonjato faha-17 vokatry ny fialan'ireo heverina ho mpivily lalana avy amin'ny [[Anglikanisma|Fiangonana anglikana]]. Atao amin'ny [[Fiteny anglisy|teny anglisy]] hoe ''Quakers'' izay midika hoe "mpangovitra" ny mpivavaka ao amin'io fikambanana io. Izy samy izy dia mifanome anarana hoe ''Friends'' izay midika hoe "sakaiza". I George Fox (1624-1691) no heverin'ny mpahay tantara ho nanangana ilay fikambanana na ny tena nanan-danja indrindra tamin'ireo mpitarika azy. Ao amin'ny firehana mistikan'ny [[Fanavaozam-piangonana]] lalim-paka no misy ny fikambanan'ny Sakaiza.
Isan-karazany ny fomba anatanterahan'ny Sakaiza ny fivavahany ka ahitana hatramin'izay mitovy fomba amin'ny [[Evanjelisma|Kristiana evenjelika]] nefa koa ahitana ireo izay manaraka firehana manakaiky ny [[tsy finoana an'Andriamanitra]] (
Hatramin'ny fotoana niforonany tao Angletera dia niely tany amin'ireo zanatany anglo-saksona aloha ilay fikambanana. Tamin'ny taonjato faha-20 dia nampiely ny fivavahany tany Amerika Atsimo sy tany Afrika ireo misioneran'ny Fiangonan'ny Sakaiza. Amin'izao fotoana izao dia miisa 350 000 eo ho eo ny Sakaiza araka ny antontanisan'izy ireo<ref name=":0"><small>Jereo: [http://fwccworld.org/find_friends/map.shtml Finding Quakers Around the World], FWCC [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Ffwccworld.org%2Ffind_friends%2Fmap.shtml tahiry]] sy [http://fwccamericas.org/publications/images/fwcc_map_2007_sm.gif Sarintanin'izao tontolo izao 2007 an'ny FWCC] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Ffwccamericas.org%2Fpublications%2Fimages%2Ffwcc_map_2007_sm.gif tahiry]] ary [http://www.quakerinfo.org/resources/worldstats.html Quaker Information Center] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.quakerinfo.org%2Fresources%2Fworldstats.html tahiry]].</small></ref>
Andalana faha-8:
Ny Fikambanan'ny Sakaiza dia miavaka amin'ireo fikambanana hafa avy amin'ny [[kristianisma]] noho ny tsy fananany [[fiekem-pinoana]] sy tsy fisian'ny antanan-tohatra na ambaratongam-pitondrana eo amin'ny fandaminana ny fiangonany. Ho an'izy ireo dia raharahan'ny tsirairay ny finoana ka ny isam-batan'olona dia malalaka amin'ny fanarahana ny zavatra mandresy lahatra azy. Ny ankamaroan'ny Sakaiza dia mino ny amin'ny atao hoe "fahazavana anaty" (anglisy: ''inner light'') na inona na inona ny hevitra mety homen'ny tsirairay izany teny izany. Maro ireo Sakaiza miaiky fa Kristiana nefa mahatsapa fa tsy tafiditra ao amin'ireo zavatra enti-mamaritra ny Kristiana mitana ny mahazatra.
Amin'izy ireo dia tsy ilaina ny [[sakramenta]], na ny [[batisa]] na ny [[fanasan'ny Tompo]] (na [[eokaristia]]); tsy ilaina koa, hoy izy, ireo na ny [[fiekem-pinoana]]. Famantarana ny [[Fahasoavana (finoana)|fahasoava]]<nowiki/>n' Andriamanitra ho azy sy ho an'ny hafa ny asa ataon'ny mpino tsirairay. Ny [[Batisan'ny Fanahy Masina|batisan'ny Fanahy]] dia zavatra iainana sy fiovana anaty, ary ny firaisana amin'i [[Jesosy|Kristy]] dia miseho ao amin'ny fihaonan'ny mpivavaka. Endriky ny firaisana amin'ny fanasan'ny Tompo ny fiaraha-misakafo ataon'ny mpino.
== Fotoam-pivavahana ==
Manadratra ny fifandraisana mivantana eo amin'ny Olona sy Andriamanitra ny Sakaiza, ka tsy ilainy ny mpisorona mpanelanelana ny Olona amin'Andriamanitra. Izany no nilazana fa tsy manaraka ny tokony ho izy ny Sakaiza ka niharan'ny fanenjehan'ny mpitondra fivavahana anglikana tamin'ny fotoana nanombohany. Ny Sakaiza dia mino ny fisiana ao amin'ny olona tsirairay ny "fahazavana avy amin'Andriamanitra" izay katsahiny ao amin'ny fandinihan-tena mangina. Ny fotoam-pivavahana amin'ny ankapobeny dia tora-po sy mandeha ho azy. Malalaka ny fananarana sy ny famporisihana ataon'ny mpandray anjara tsirairay satria vokatry ny firaisana amin'ny Fahazavana avy any ambony izany. Voatsindrimandrin'ilay [[Fanahy Masina|Fanahy]] nanindrimandry an'ireo nanoratra ny [[Baiboly]] ny mpino rehetra. Noho izany dia tsy mahalala fomba hafa hahazoana ny fahasoavan'Andriamanitra ny Sakaiza afa-tsy amin'ny alalan'izany [[Tsindrimandry (fivavahana)|tsindrimandry]] (na fanilovana) mivantana izany.
Manao fivorianana isam-bolana (anglisy: ''monthly'' ''meetings'') na isan-telo volana na isan-taona (anglisy: ''yearly'' ''meetings'') ny Koakera mba handaminany ny raharahan'ny fikambanany ka ny fahefana hanapahana ny amin'ny finoana sy ny fitantanan-draharaha dia ny fivorian'ny mpikambana ihany. Izany fivorianana izany dia andraisan'ny mpikambana rehetra anjara, na lahy na vavy, na ny zandriolona na ny zokiolona, ka mitovy ny rehetra amin'izany.
Andalana faha-29:
Ny Koakera olon-dehibe tamin'ny taona 2012 tao Afrika dia niisa 196 790 ka ny 20 eto Madagasikara; ny tany [[Aostralia]] sy [[Zelanda Vaovao]]: 1 660; ny tany Azia: 21 000; ny tao Eoropa: 23 835; ny tany [[Atsinanana Afovoany]]: 70; ny tany Amerika Avaratra sy Atsimo: 133 987; ka raha atambatra dia manakaiky ny 378 000<ref><small>''"[http://library.constantcontact.com/download/get/file/1100905870059-495/FINAL_map_123012.pdf Finding Quakers Around the World"] (PDF). Friends World Committee for Consultation''. Notsidihina tamin'ny 04 Jolay 2016''.''</small></ref>.
Ny [[Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara]] (FJKM) dia niorina vokatry ny fampiraisana tamin'ny taona 1968 ny Fiangoanana telo, dia ny [[London Missionary Society]] sy ny [[Société des Missions Evangéliques de Paris]] ary ny [[Friends’ Foreign Mission Association]] (izay lasa ''[[Quaker Peace and Social Witness]]'' amin'izao). Tsy nanaraka ny koakerisma anefa ny FJKM fa nisafidy ny lalan'ny [[Fiangonana nohavaozina]].
== Jereo koa: ==
|