Zanabintana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra sy nandamina
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-6:
 
=== Adaoro ===
Ny [[Adaoro]] no vintana sy volana faharoa. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اثور / ''Ath-Thur'' na ''Ath-Thaur''("ombilahy") ny hoe ''Adaoro''. Ny tapany avaratra amin'ny rindrin-trano atsinanana no toerana omena azy. Inoana ho andron'afo na andro mandoro ny Adaoro. Trotroin'ny renivintana [[Alahamady]] ny zanabintana Adaoro. Mifandratra amin'ny [[Alakarabo]] sady mihataka sy miarina eo amin'ny [[Adimizana]] ny Adaoro.
 
Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro roa ny Adaoro, dia ny vava Adaoro sy ny vody Adaoro. Dimbiasan'ny vava Adaoro ny vody Alahamady ary manaraka ny vody Adaoro ny vava Adizaoza.