Fanandroana malagasy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-22:
Tsy isaina ho andro voalohany ao amin'ny volana ny tonon'andro iray raha tsy tsinana alohan'ny mitataovovonan'io andro io ny Volana. Miteraka fahasamihafana arakaraka ny faritra anaovana fanandroana izany satria tsy ny amin'ny 12 ora antoandro amin'ny famantaranandro araka ny hasin'ora nifanarahana izany. Ny mitataovovonana any amin'ny faritra atsinanana indridra eto Madagasikara dia tsy mitataovovonana any amin'ny faritra andrefana. Raha tonon'andro vava Alahasaty amin'ny volana Alahasaty, ohatra, no mifanojo amin'ny andro Alatsinainy any andrefana, dia mety efa vonto Alahamady ny any atsinanana, raha ohatra ka manodidina ny mitataovovonana ny nahatsinanan'ny Volana. Mety hiteraka fahadisoana ny tsy fahitana ny fotoana "ahafatesana" ahatsinanan'ny Volana noho ny fisian'ny rahona ka misakana ny fijerena izany na noho ny hakamoan'ny mpanandro mamono Volana an-trano.
 
Ny ao anatin'ny iray volana malagasy anefa mety misy 28 hatramin'ny 30 andro. Ny 29 sy ny 30 andro no matetika indrindra satria maharitra 29 andro sy 12 ora ary 44 minitra ny tsingerim-pihodinan'ny [[Volana]] amin'ny Tany. Raha misy 28 andro ny iray volana dia mifarana amin'ny vodin'ny vintana mitovy anarana amin'ny volana eo aloha ny volana diavina (ohatra, vody Alohotsy, raha ny volana Alahamady no diavina). Raha tsy tsinana ny Volana alohan'ny mitataovovonan'min'ny faha-29 andro dia lasa misy 29 andro ny iray volana ka mifarana amin'ny vavan'ny vintana mitovy anarana aminy io volana diavina io (ohatra, vava Alahamady, raha ny Alahamady no volana diavina). Fa raha mbola tsy tsinana ihany ny Volana amin'ny faha-30 andro dia misy 30 andro ny iray volana ka mifarana amin'ny vodiny na ny vonton'ny vintana mitovy anarana aminy io volana diavina io, ka vodiny raha zanabintana fa vontony raha renivintana.
 
==== Ny toetra ankapoben'ny tonon'andro ====