Hadriano: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Hadrien ho Hadriano i Thelezifor
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
 
Andalana faha-1:
{{infobox olona
|sary= Bust Hadrian Musei Capitolini MC817 cropped.jpg
|anarana=HadrienHadriano
|teraka=24 Janoary 76
|maty=10 Jolay 138
Andalana faha-11:
|taona niasàna=
}}
'''Hadriano''' dia I Hadriano dia emperora romana faha-14 teraka tamin'ny 24 Janoary 76 ary maty tamin'ny 10 Jolay 138, nanjaka teo anelanelan’ny taona 117 sy 138, izay nametra ny fiitaran'ny fanjakana romana izay naverina teo amin’ny fetra nofaritan’i Aogosto. Atao hoe ''Imperator Cæsar Traianus Hadrianus Augustus'' izy amin'ny teny latina fa Ἁδριανός na Ἀδριανός kosa amin'ny teny grika.
'''Hadrien''' dia mpanao politika teraka ny 24 Janoary 76 ary maty ny 10 Jolay 138
 
==Ny fiainany manokana==
== Tantarany ==
I Publius Aelius Hadrianus Afer no rainy. Ny vadiny dia Vibia Sabina. Ny zanany dia Lucius Aelius.
 
=== Fahazazany sy fiantombohan'ny fanjakany ===
I Poblio Aelio Hadriano Afera (latina: ''Publius Aelius Hadrianus Afer'') no rainy. Ny reniny dia i Paolina (latina: ''Domitia Paulina Major''). Ny vadiny dia Vibia Sabina (latina: ''Vibia Sabina''). Nanangan-jaza izy, dia i Lokio Aelio (latina: ''Lucius Aelius Verus'') sy i Antonino Pio (latina: ''Antoninus Pius''). Tamin'ny nahaterahany dia nantsoina amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''Publius Ælius Hadrianus'' i Hadriano. Tamin'ny nahafatesan'ny rainy tamin'ny taona 85 dia natsangan'i Trajàno (latina: ''Marcus Ulpius Traianus'') ho zanany izy. Tao Roma no nanabeazana azy, ka maro ny andraikitra ara-panjakana ivelan'ny tafika sy ara-tafika nosahaniny mandra-paha emperora an'i Trajàno tamin'ny taona 98. Tamin'ny nahafatesan'i Trajàno tamin'ny taona 117 dia nataon'ny tafika ny fanambaràna azy ho emperora.
 
=== Fanamafisana ny fanjakana ===
Tamin'ny fotoana nanapahany dia nanambana ny Empira romana ny fikomian'ny vahoaka sy ny fananiham-bohitra avy any ivelany. Nahatsapa ny tokony hanamafisana ny empira izay lasa lehibe loatra i Hadriano ka nanapa-kevitra ny hamela ny faritany lavitra indrindra, ka namaritra ny sisin-tanin'ny empira teo amin'izay tratran'i [[Aogosto]]. Nanangana manda fiarovana izy, ka isan'izany ny mandan'ny Pikta izay atao hoe mandan'i Hadriano koa, izay fetran'ny fiitaran'ny tanin'ny empira romana.
 
Nanamafy ny fitondrany izy tao Roma tamin'ny alalan'ny fandraisana fepetra manome fahalalahana ny vahoaka, tamin'ny alalan'ny famangiana ireo faritany romana sady niezaka nandamina ny raharaha ara-politika sy ara-miaramila ary ara-toekarena izay nikendreny ny hahamatotra ny fankatoavana amin'i Roma.
 
Tamin'ny taona 134 sy 135 izy dia nankany Jodea ka nanafay ny fikomiana nataon'ny Jiosy notarihin'i [[Simona Bar Kokba]] izy.
 
=== Fiafaran'i Hadriano ===
Tao Roma no nandanian'i Hadriano ny andro sisa niainany sy tao amin'ny lapany ao Tiboro (izay antsoina hoe ''Tivoli'' ankehitriny ao Italia). Maty tao Baia izy tamin'ny 10 Jolay 138 ary i Antonino zanany natsangany no nandimby azy teo amin'ny fitondrana.
 
== Ny lova navelan'i Hadriano ==
Andriana lehibe mpandala ny kolontsaina helenista i Hadriano ka nohodidinim-poeta sy filozofa ary mpanorara maro. Nanoratra koa izy ka betsaka ny lahatsoratra tamin’ny teny latina sy tamin'ny teny grika nosoratany. Nampanamboatra an'i Ateneoma (latina: ''Athenaeum'') tao Roma, izay karazana oniversite hampandrosoana ny fianarana literatiora sy siansa izy. Nampanamboariny koa ny tempoly iombon'ireo andriamanitra maro (panteona), izay nosimbana sady nampanamboarina indray (izay novana ho bazilika Santa Maria ad Martyres ankehitriny ao Roma). Nampanamboariny koa ny fasan'ny mahery fo (Maozolea) izay nanjary trano lehibe Mb. Ange taty aoriana.  Ao Tivoli, ilay tranon'i Hadriano, izay fitambaran-trano tsara tarehy voarafitra amin'ny mari-trano mihaingo, dia ahitana sarivongana nampanaoviny ny mpanao sary sokitra grika, nalaina tahaka tamin'ny sary sokitra sy vongana ao amin'ny zavakanto ateniana.
 
== Jereo koa ==
* [[Biôgrafia]]