Tetiandro babilôniana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tetiandro
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''tetiandro babiloniana''' na '''tetiandro mesopotamiana''' dia [[tetiandro]] nampiasaina tao [[Mesopotamia]] tamin'ny [[Andro Taloha]] izay [[Tetiandro manara-bolana sy masoandro|manara-bolana sy masoandro]], sady ahitana [[Volana (fotoana)|volana]] miisa 12 mitovy faharetana amin'ny tsingerim-pihodinan'ny [[Volana]] izay manomboka rehefa tazana eny amn'ny lanitra ny tsinam-bolana. Ampiana iray volana ny volana 12 rehefa hita fa mihatara loatra ny fanombohan'ny taona (elalenelana folo andro) miohatra amin'ny fihodin'ny [[Masoandro]]. Ireo tanàna mesopotamiana anefa dia samy nanana ny tetiandrony avy, sady samy nanana ny anaram-bolana azy manokana avy, ka ny fanombohan'ny taona dia manomboka amin'ny lohataona nefa indraindray koa amin'ny fararano. Taty an-tenantenan'ny taonarivo faha-2 tal. J.K. vao nisy ny fametrahana tetiandro iraisana tany Mesopotamia ka ny tetiandro nampiasaina tao Babilona no nampiasaina.
 
Fahefan'ny mpanjaka tamin'izany fotoana izany ny manapa-kevitra amin'ny fanovana ny tetiandro, ny manampy anaram-bolana vaovao. Nampifanentanina amin'ny zava-misy ara-toekarena izany (toy ny fizaràna karama, ny fanangonana ny hetra, ny famerenana zana-bola, sns), ary indrindra amin'ny fivavahana noho ny tetiandro misahana anjara asa lehibe eo amin'ny [[litorjia]]. Ny anaram-bolana dia matetika anaran'ireo fetim-pivavahana lehibe.
 
== Ny tetiandrom-panjakana babiloniana ==
Ny fiavian'ny anaram-bolana dia samihafa ka hoatry ny an'ny tetiandro nakambakambana noforonina mba hampisy firaisana ara-politika. Ny sasany dia efa fantatra tamin'ny vanimpotoana [[amorita]] (dia ny ''Ayyaru'', ''Elūlu'', ''Abu na Abum'', sy ny ''Du'uzu ,a Tamūzu,'' izay avy amin'ny [[fiteny someriana]]: ny volana ''Dumuzi''). Ny sasany avy amin'ny [[Vahoaka semitika|faritra semitika]] andrefana (dia ny ''Tašrītu'', ary angamba koa ny ''Nisannu''). Ny sasany fantatra tao amin'ny tanànan'i Sosa (na Sosàna) ao Elama (dia ny ''Šabāṭu'' sy ny ''Addaru''). Ny hafa koa dia mety avy amin'ny [[Fiteny persana taloha|teny persiana]] (ny ''Araḫsamnu''). Roa ny volana fanombohan-taona ao amin'io tetiandro io, dia ilay amin'ny volana ''Nisannu'' sy ilay amin'ny volana ''Tašrītu'' (volana faha7 raha atao voalohany ny ''Nisannu''). Ny hoe ''Nissanu'' dia avy amin'ny teny someriana hoe ''nesag'' izay midika hoe "voalohany" ary ny hoe ''Tašrītu'' dia midika hoe "fanombohana" amin'ny [[teny akadiana]].
 
Ireto ny anaram-bolana ao amin'ny tetiandro babiloniana iraisana: ''Nisannu, Ayyaru, Simānu, Du'uzu'' (na ''Tamūzu'' na ''Tammūzu'')'', Abu, Elūlu'' (na ''Ulūlu'')'', Tašrītu, Araḫsamnu, Kislimu, Ṭebētu, Šabāṭu, Addaru.'' Ny volana fasisika ho fanampiny dia ny ''Elūlu'' na ny ''Addaru.'' Averna indroa izany ny ''Elūlu'' na ny ''Addaru.''
 
Nampiasaina foana io tetiandro io hatraty amin'ny taonarivo voalohany tal. J.K. ary ny [[Fahababoana tany Babilona|Jiosy voababo tao Babilona]] dia nampiasa azy io ka nanolo ny [[Tetiandro hebreo|tetiandrony]] talohan'ny fahababoana amin'ny tetiandro babiloniana. Natao filamatra ihany koa io tetiandro io tao amin'ireo [[vahoaka arameana]] izay nampanjaka ny [[Fiteny arameana|fiteniny]] tao Mesopotamia sy tao [[Atsinanana Akaiky]], indrindra tao amin'ireo Palmireniana.
 
Tabilao mampitaha ny anaram-bolana babiloniana sy ny anaram-bolana hebreo:
{| class="wikitable"
|
|1
|2
|3
|4
|5
|6
|-
|Babiloniana
|''Nisannu''
|''Ayyaru''
|''Simānu''
|''Tammūzu''
|''Abu''
|''Elūlu''
|-
|Hebreo
|''Nisan''
|''Iyar''
|''Sivan''
|''Tammuz''
|''Av''
|''Elul''
|-
|
|7
|8
|9
|10
|11
|12
|-
|Babiloniana
|''Tašrītu''
|''Araḫsamnu''
|''Kislimu''
|''Ṭebētu''
|''Šabāṭu''
|''Addaru''
|-
|Hebreo
|''Tishri''
|''Heshvan''
|''Kislev''
|''Tevet''
|''Shevat''
|''Adar''
|}
 
== Jereo koa ==
 
* [[Tetiandro hebreo]]