Evan' ny zôdiaka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-6:
 
=== Alahamady ===
'''♈'''
 
Ny [[Alahamady]] no vintana voalohany ao amin'ny fanandroana manaraka ny [[zodiaka]]. Ny teny hoe ''Alahamady'' dia avy amin'ny anaran'ny [[antokon-kintana]] amin'ny teny arabo hoe االحمل / ''Al-Hamal'' izay midika hoe "ondrilahy". Ny Alahamady ao amin'ny zodiaka mikisaka (frantsay: ''zodiaque tropique'') dia eo anelanelan'ny 21 Marsa sy 20 Avrily. Ny fotoana andalovan'ny [[masoandro]] eo amin'ny antokon-kintan'ny [[Alahamady (antokon-kintana)|Alahamady]] anefa dia manomboka amin'ny 18 Avrily hatramin'ny 13 Mey.
 
Ligne 11 ⟶ 13 :
 
=== Adaoro ===
'''♉'''
 
Ny [[Adaoro]] no vintana faharoa ao amin'ny fanandroana manaraka ny zodiaka. Avy amin'ny anaran'antokon-kintan'ny zodiaka amin'ny teny arabo hoe اثور / ''Ath-Thur'' na ''Ath-Thaur'' ("ombilahy") ny hoe ''Adaoro''. Ny Adaoro ao amin'ny zodiaka mikisaka dia avy eo amin'ny 21 Mey ka miafara amin'ny 20 Jona. Ny fotoana andalovan'ny masoandro eo amin'ny antokon-kintan'ny [[Adaoro (antokon-kintana)|Adaoro]] dia amin'ny 13 Mey hatramin'ny 21 Jona.
 
Ao amin'ny fanandroana malagasy dia vintana faharoa koa ny Adaoro ka ny tapany avaratra amin'ny rindrin-trano atsinanana no toerana omena azy.
=== Adizaoza ===
'''♊'''
 
Ny [[Adizaoza]] no vintana fahatelo ao amin'ny fanandroana manaraka ny [[zodiaka]]. Avy amin'ny anaran'[[Antokon-kintana|antokon-kintan']]<nowiki/>ny [[zodiaka]] amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe اجوزاء / ''Al-Djuza'' ("kambana") ny hoe ''Adizaoza''. Ny fotoan'ny Adizaoza ao amin'ny zodiaka mikisaka dia avy eo amin'ny 21 Mey ka miafara amin'ny 21 Jona. Ny fotoana andalovan'ny [[masoandro]] eo amin'ny antokon-kintan'ny [[Adizaoza (antokon-kintana)|Adizaoza]] dia amin'ny 21 Jona hatramin'ny 20 Jolay.
 
Ao amin'ny [[fanandroana malagasy]] dia vintana fahatelo koa ny Adizaoza ka ny tapany atsimo amin'ny rindrin-trano antsinanana no toerana omena azy.
=== Asorotany ===
'''♋'''
 
Ny [[Asorotany]] no vintana fahefatra ao amin'ny fanandroana manaraka ny zodiaka sy ao amin'ny fanandroana malagasy manara-bolana. Avy amin'ny anaran'antokon-kintan'ny zodiaka amin'ny teny arabo hoe <big><small>ا</small></big><small>سرطان</small> / ''As-Saratan'' na ''As-Sartan'' ("foza") ny hoe ''Asorotany.'' Ny fotoan'ny Asorotany ao amin'ny zodiaka mikisaka dia avy eo amin'ny 22 Jona ka miafara amin'ny 22 Jolay. Ny fotoana andalovan'ny masoandro eo amin'ny antokon-kintan'ny [[Asorotany (antokon-kintana)|Asorotany]] dia amin'ny 20 Jolay hatramin'ny 10 Aogositra.
 
Ao amin'ny fanandroana malagasy dia vintana fahefatra koa ny Asorotany ka ny zoron-trano atsimo-atsinana no toerana omena azy.
=== Alahasaty ===
'''♌'''
 
Ny [[Alahasaty]] no vintana fahadimy amin'ny fanandroana manaraka ny [[zodiaka]]. Avy amin'ny anaran'[[Antokon-kintana|antokon-kintan']]<nowiki/>ny [[zodiaka]] amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe اأسد / ''Al-Asad'' ("liona") ny hoe ''Alahasaty.'' Ny fotoan'ny Alahasaty ao amin'ny zodiaka mikisaka dia manomboka amin'ny 23 Jolay ka miafara amin'ny 22 Septambra. Ny fotoana andalovan'ny [[masoandro]] eo amin'ny antokon-kintan'ny [[Alahasaty (antokon-kintana)|Alahasaty]] dia manomboka amin'ny 10 Aogositra ka miafara amin'ny 16 Septambra.
 
 
 
Ao amin'ny [[fanandroana malagasy]] dia vintana fahadimy koa ny Alahasaty ka ny tapany atsinanana amin'ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy.
=== Asombola ===
'''♍'''
 
Ny [[Asombola]] no vintana fahenina amin'ny fanandroana manaraka ny zodiaka. Avy amin'ny anaran'antokon-kintan'ny zodiaka amin'ny teny arabo hoe السنبلة / ''As-Sumbul'' ("virjina") ny hoe ''Asombola.'' Ny Asombola ao amin'ny zodiaka mikisaka dia manomboka amin'ny 23 Septambra ka miafara amin'ny 22 Oktobra.
 
Ao amin'ny fanandroana malagasy dia vintana fahenina koa ny Asombola ka ny tapany andrefana amin'ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy.
=== Adimizana ===
'''♎'''
 
Ny [[Adimizana]] no vintana fahafito amin'ny fanandroana manaraka ny [[zodiaka]]. Avy amin'ny anaran'[[Antokon-kintana|antokon-kintan']]<nowiki/>ny [[zodiaka]] amin'ny teny arabo hoe اميزان / ''Al-Mizan'' ("mizana") ny hoe ''Adimizana''. Ny fotoan'ny Adimizana ao amin'ny zodiaka mikisaka dia eo amin'ny 22 Septambra hatramin'ny 22 Oktobra. Ny fotoana andalovan'ny [[masoandro]] ao amin'ny fari-danitry ny antokon-kintana [[Adimizana (antokon-kintana)|Adimizana]] dia amin'ny 31 Oktobra hatramin'ny 22 Novambra. Ao amin'ny [[fanandroana malagasy]] dia vintana fahafito koa ny Adimizana ka ny zoron-trano atsimo-andrefana no toerana omena azy.
 
=== Alakarabo ===
'''♏'''
 
Ny [[Alakarabo]] no vintana fahavalo amin'ny fanandroana manaraka ny zodiaka. Avy amin'ny anaran'antokon-kintan'ny zodiaka amin'ny teny arabo hoe اعقرب / ''Al-Akrab'' ("maingoka") ny hoe ''Alakarabo.'' Eo amin'ny 20 Novambra hatramin'ny 29 Novambra ny fotoana andalovan'ny masoandro ao amin'ny fari-danitry ny antokon-kintana [[Alakarabo (antokon-kintana)|Alakarabo]].
 
Ao amin'ny fanandroana malagasy dia vintana fahavalo koa izy ka ny tapany atsimo amin'ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy.
=== Alakaosy ===
'''♐'''
 
Ny [[Alakaosy]] no vintana fahasivy amin'ny fanandroana manaraka ny [[zodiaka]]. Avy amin'ny anaran'[[Antokon-kintana|antokon-kintan']]<nowiki/>ny [[zodiaka]] amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe اقوس / ''Al-Kaus'' ("mpitifitra tsipika") ny hoe ''Alakaosy.'' Amin'ny 22 Novambra hatramin'ny 21 Desambra ny fotoan'ny Alakaosy araka ny zodiaka mikisaka. Ny fotoana andalovan'ny [[masoandro]] ao amin'ny fari-danitry ny antokon-kintana [[Alakaosy (antokon-kintana)|Alakaosy]] dia amin'ny 18 Desambra hatramin'ny 18 Janoary.
 
Ao amin'ny [[fanandroana malagasy]] dia vintana fahasivy koa ny Alakaosy ka ny tapany avaratra amin'ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy.
=== Adijady ===
'''♑'''
 
Ny [[Adijady]] no vintana fahafolo amin'ny fanandroana manaraka ny zodiaka. Avy amin'ny anaran'antokon-kintan'ny zodiaka amin'ny teny arabo hoe اجدي / ''Al-Djadi'' ("osilahy") ny hoe ''Adijady.'' Amin'ny 21 Desambra hatramin'ny 20 Janoary ny fotoan'ny Adijady ao amin'ny zodiaka mikisaka. Ny fotoana andalovan'ny masoandro ao amin'ny fari-danitry ny antokon-kintana [[Adijady (antokon-kintana)|Adijady]] dia eo amin'ny 19 Janoary hatramin'ny 15 Febroary.
 
Ao amin'ny fanandroana malagasy dia vintana fahafolo koa ny Adijady ka ny zoron-trano avaratra-andrefana no toerana omena azy.
=== Adalo ===
'''♒'''
 
Ny [[Adalo]] dia vintana fahiraika ambin'ny folo amin'ny fanandroana manaraka ny [[zodiaka]]. Avy amin'ny anaran'[[Antokon-kintana|antokon-kintan']]<nowiki/>ny [[zodiaka]] amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe ادلو / ''Al-Dalu'' ("mpandraraka rano") ny hoe ''Adalo.'' Amin'ny 21 Janoary hatramin'ny 18 Febroary ny fotoan'ny Adalo araka ny zodiaka mikisaka. Mandala eo amin'ny fari-danitry ny antokon-kintana [[Adalo (antokon-kintana)|Adalo]] ny [[masoandro]] amin'ny 16 Febroary hatramin'ny 11 Marsa. Ao amin'ny [[fanandroana malagasy]] dia vintana fahiraika ambin'ny folo koa ny Adalo ka ny tapany andrefana amin'ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy.
 
=== Alohotsy ===
'''♓'''
 
Ny [[Alohotsy]] dia vintana faharoa ambin'ny folo amin'ny fanandroana manaraka ny zodiaka. Avy amin'ny anaran'antokon-kintan'ny zodiaka amin'ny teny arabo hoe الحوت / ''Al-Hut'' ("trondro") ny hoe ''Alohotsy.'' Amin'ny 20 Febroary hatramin'ny 20 Marsa ny fotoan'ny Alohotsy ao amin'ny zodiaka mikisaka. Ny fotoana andalovan'ny masoandro ao amin'ny antokon-kintana [[Alohotsy (antokon-kintana)|Alohotsy]] dia amin'ny 12 Marsa hatramin'ny 18 Avrily. Ao amin'ny fanandroana malagasy dia vintana faharoa ambin'ny folo koa ny Alohotsy ka ny tapany antsinana amin'ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy.