Fanandroana malagasy : Fahasamihafan'ny versiona roa

Tsipelina
(Tsipelinz)
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
(Tsipelina)
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Ny [[Alahamady]] no volana sy vintana voalohany amin'ny fanandroana. [[Renivintana]] ny Alahamady. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe االحمل / ''Al-Hamal'' ("ondrilahy") ny teny hoe ''Alahamady''. Ny zoro avaratra-atsinana amin'ny trano no toerana omena azy. Io zoro io dia atao hoe zorofirarazana koa. Ny faritra na tanàna ao avaratra-atsinanan'ny tanàna iray dia atao hoe "Alahamadin-tany" ho an'io tanàna faharoa io.
 
Lazaina fa mibaby ny Alohotsy sy mitrotro ny Adaoro ny Alahamady sady mifandratra amin'ny Adimizana nefa mitanila eo amin'ny Asombola sy Alakarabo izay iandrianany sy iarenany ny vintana Alahamady. Amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro telo ny Alahamady, dia ny vava Alahamady (na vavan'Alahamady) sy ny vonto Alahamady (na vonton'Alahamady) ary ny vody Alahamady (na vodin'Alahamady).
 
Manomboka amin'ny vava Alahamady ka miafara amin'ny vody Alohotsy ny volana Alahamady raha misy 28 andro. Marihina fa raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian'ny vody Alohotsy dia miafara amin'ny vava Alahamady ny volana Alahamady izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian'io vava Alahamady io dia mifarana amin'ny vonto Alahamady ny volana izay misy 30 andro.
 
==== Vava Alahamady ====
Ny vava Alahamady ao amin'ny volana Alahamady dia atao hoe [[Alahamadibe]]. [[Ralambo]] sy [[Andriamasinavalona]] ary [[Andrianampoinimerina]] ihany anefa no mpanjaka teraka tamin' ny vava-Alahamady. Io no natokana hanaovana ny [[Fandroan'Andriana]]. Andro mahery ny vava Alahamady ka ny zaza teraka amin'io dia alam-bintana fandrao misavika ny andriana, ka raha ankohonan'ny Andriana dia tsy avela hiara-mitoetra aminy.
 
==== Vonto Alahamady ====
Ny olona teraka vonto Alahamady dia ampitehirizina amponga telon-jehy sy ampiiompinaampiompina gisa fotsy mivady mba ho tratra antitra.
 
==== Vody Alahamady ====
2 622

modifications