Fanandroana malagasy : Fahasamihafan'ny versiona roa

Tsipelinz
(Nanitatra)
(Tsipelinz)
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Ny [[Alahamady]] no volana sy vintana voalohany amin'ny fanandroana. [[Renivintana]] ny Alahamady. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe االحمل / ''Al-Hamal'' ("ondrilahy") ny teny hoe ''Alahamady''. Ny zoro avaratra-atsinana amin'ny trano no toerana omena azy. Io zoro io dia atao hoe zorofirarazana koa. Ny faritra na tanàna ao avaratra-atsinanan'ny tanàna iray dia atao hoe "Alahamadin-tany" ho an'io tanàna faharoa io.
 
LazanaLazaina fa mibaby ny Alohotsy sy mitrotro ny Adaoro ny Alahamady sady mifandratra amin'ny Adimizana nefa ny mitanila eo amin'ny Asombola sy Alakarabo izay iandrianany sy iarenany ny vintana Alahamady. Amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro telo ny Alahamady, dia vava Alahamady (na vavan'Alahamady) sy ny vonto Alahamady (na vonton'Alahamady) ary ny vody Alahamady (na vodin'Alahamady).
 
Manomboka amin'ny vava Alahamady ka miafara amin'ny vody Alohotsy ny volana Alahamady raha misy 28 andro. Marihina fa raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian'ny vody Alohotsy dia miafara amin'ny vava Alahamady ny volana Alahamady izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian'io vava Alahamady io dia mifarana amin'ny vonto Alahamady ny volana izay misy 30 andro.
2 650

modifications