Siria (faritra): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tantaran'ny faritra Afovoany Atsinanana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-7:
Efa nisy olona nonina ny ao amin’ny faritr'i Siria tamin’ny vanimpotoan’ny vato ela sy vato vao. Tao amin’ny lohasahan’i [[Eofrata]] izay mitohy amin’ny lohasahan’i [[Tigrisy]] (na Tigra) izay mamorona ny lohasahan’i [[Mesopotamia]] (na Mezopotamia) dia efa nisy fambolena sy tanàna ary fanjakana, avy eo nipoitra ny [[soratra miendri-pantsika]] sy ny [[abidy]].
 
=== I Siria tamin'ny Andro Taloha ===
'''I Somera sy i Babilona'''
 
Ligne 15 ⟶ 16 :
Ny [[Amorita]], izay [[Vahoaka semitika|vahoaka semita]] mpifidrafindra monina, sady efa hita tany amin’ny faritr’i Babilonia tamin’ny taonarivo faha-3, dia nanorina ny fanjakam-pianakaviana (dinastia) voalohany tany [[Babilona]] tamin’ny taonjato faha-19 tal. J.K. I Hamorabý, mpanjaka namorona ny Empiran'i Babilona, dia nanitatra ny fanjakany eran’ny faritra tamin’ny taonjato faha-18 tal. J.K.
 
'''Ny Arameana sy ny Israelita'''
 
Tamin’ny taonjato faha-16 tal. J.K. dia nanomboka nifehy ny faritra atsimon’i Siria ny [[Farao|faraon’i Egipta]], fa ny ao avaratra kosa dia nonenan’ny [[Hitita]]. Nitranga noho izany ny fifandonana teo amin’ny Egiptiana sy ny Hitita tamin’ny taona 1287 tal. J.K. tamin’ny ady nifanaovany tao Kadesy. Tsy nisy ny resy sy ny mpandresy ka nanao fifanarahana ny tsy hiady ny roa tonta fa samy hionona amin’ny zavatra efa nisy hatramin’izay.
Ligne 43 ⟶ 44 :
'''Ny Bizantina'''
 
Taorian’ny nampizara  roa ny Empira romana tamin’ny taona 395 taor. J.K. dia lasan’ny [[Empira Bizantina|Bizantina]] i Siria. Nandroso ny toekarena ary marin-toerana ny toe-draharaha politika, izay tsy nisy mpanelingelina afa-tsy ny tsy fifanarahan’ny Kristiana noho ny tsy fitovian-kevitra [[Kristolojia|teolojika momba an'i Kristy]] ([[Trinite|trinitarisma]], [[nestorianisma]], [[monofizisma]], sns) ka nampizara ny Fiangonan’i Antiokia. Nanararaotra ny adin’ny samy Kristiana ny Persiana nanomboka tamin’ny taona 661 taor. J.K. mba hiverenany hanapaka ny faritr’i Siria indray. Nandresy tosika azy ireo ny Bizantina tamin’ny taona 623 taor. J.K. nefa nisy fahasahiranana lehibe hafa indray niandry azy ireo, dia ny fanitaram-panjakan’ny Arabo silamo.