Andro Taloha: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy rohy
Andalana faha-1:
Ny hoe [[Andro Taloha|'''Andro''' '''Taloha''']] dia ilazana vanim-potoan'ny Tantara izay nialoha ny [[Andro Antenantenany]] na ny [[Andro Vaovao]]. Miovaova ny fivelaran'io vanim-potoana io arakaraka ny sivilizasiona heverina. Amin'ny tantara eoropeana dia fotoana mifanandrify amin'ny sivilizasionan'ny soratra nanodidina ny [[Ranomasina Mediteranea]] ny Andro Taloha ka ny ankamaroan'ny mpahay tantara dia mametraka ny fiantombohany eo amin'ny taonarivo faha-4 tal. J.K. (anelanelan'ny taona 3500 tal. J.K. sy 3000 tal. J.K.) miaraka tamin'ny famoronana ny soratra tany [[Mesopotamia]] (ny [[soratra miendri-pantsika]].) sy tany Egipta. Nanova tanteraka ny tantaran’ny olombelona ny fahitana ny soratra izay nitranga tamin’ny taona 3300 tal. J.K. Ny fiafaran'ny Andro Taloha dia heverin'ny mpahay tantara ho manodidina ny taonjato faha-5 taor. J.K. (anelanelan'ny taona 300 sy 600).
 
Tamin’ny taona 476 taor. J.K. dia rava ny empira farany tamin’ireo lehibe tamin’izay nisy manodidina an’i Mediretanea, tsy iza izany fa ny [[Empira Romana|Empira romana]]. Izany faharavàn’ny Empira romana izany dia nahatapaka tanteraka ny tantaran’ny tandrefana nefa tsy nisy vokany tamin’ny tantaran’ny faritra hafa eto amin’izao tontolo izao.
 
== Manodidina an'i Mediteranea sy tany Eoropa ==
Tao amin’ny faritra manodidina an’i [[Mediteranea]] no fantatra indrindra tamin’ny tontolon’ny Andro Taloha satria tao no nahitana ny [[Mesopotamiana]] sy ny [[Egiptiana taloha|Egiptiana]], ny [[Persiana]], ny [[Grika taloha|Grika]], ary ny [[Empira Romana|Romana]].
 
Ho an'ireo tsy mihevitra afa-tsy ny sivilizasiona eoropeana dia ny vanim-potoan'ny sivilizasiona grika sy romana ihany no Andro Taloha ([[Andro Taloha grika-romana]]) izay nanomboka tamin'ny taona 2000 tal. J.K. ka niafara tamin'ny faharavan'ny Empira romana any Andrefana tamin'ny taona 476.