Fanandroana malagasy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-39:
 
=== Alahamady ===
Ny [[Alahamady]] no volana sy vintana voalohany amin'ny fanandroana. [[Renivintana]] ny Alahamady. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe االحمل / ''Al-Hamal'' ("ondrilahy") ny teny hoe ''Alahamady''. Ny zoro avaratra-atsinana amin'ny trano no toerana omena azy. Io zoro io dia atao hoe zorofirarazana koa. Mibaby ny Alohotsy sy mitrotro ny Adaoro ny Alahamady fa mifandratra amin'ny Adimizana nefa ny mitanila eo amin'ny Asombola sy Alakarabo izay iandrianany sy iarenany ny izy. Amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro telo ny Alahamady, dia vava Alahamady sy ny vonto Alahamady ary ny vody Alahamady.
 
==== Ankapobeny ====
Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro telo ny Alahamady, dia vava Alahamady sy ny vonto Alahamady ary ny vody Alahamady. Ny vava Alahamady ao amin'ny volana Alahamady dia atao hoe [[Alahamadibe]]. Inoana ho vintan'[[andriana]] sady vintana maha mpanjaka ny Alahamady. Ny Alahamady no vintana mahery indrindra<ref name=":0"><small>Jobily Rakotoson, "L'art divinatoire, parole d'un sage" in ''Madagascar fenêtres'', 2002, p.95.</small></ref>.
Inoana ho vintan'[[andriana]] sady vintana maha mpanjaka ny Alahamady. Ny Alahamady no vintana mahery indrindra<ref name=":0"><small>Jobily Rakotoson, "L'art divinatoire, parole d'un sage" in ''Madagascar fenêtres'', 2002, p.95.</small></ref>.
 
==== Vava Alahamady ====
Ny vava Alahamady ao amin'ny volana Alahamady dia atao hoe [[Alahamadibe]]. Ralambo sy Andriamasinavalona ary Andrianampoinimerina ihany anefa no mpanjaka teraka tamin' ny vava-Alahamady. Io no natokana hanaovana ny Fandroan'Andriana. Andro mahery ny vava Alahamady ka ny zaza teraka amin'io dia alam-bintana fandrao misavika ny andriana, ka raha ankohonan'ny Andriana dia tsy avela hiara-mitoetra aminy.
 
==== Vonto Alahamady ====
Ny olona teraka vonto Alahamady dia ampitehirizina amponga telon-jehy sy ampiiompina gisa fotsy mivady mba ho tratra antitra.
 
==== Vody Alahamady ====
Tonon'andro tsara ny vody Alahamady ka ny olona teraka amin'io dia ho tonga lehibe sy hanan-karena ary ho tratra antitra.
 
=== Adaoro ===
Ny [[Adaoro]] no vintana sy volana faharoa. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اثور / ''Ath-Thur'' na ''Ath-Thaur'' ("ombilahy") ny hoe ''Adaoro''. [[Zanabintana]] ny Alohotsy. Ny tapany avaratra amin'ny rindrin-trano atsinanana no toerana omena azy. Mifandratra amin'ny Alakarabo sady mihataka sy miarina eo amin'ny Adimizana ny Adaoro. Trotroin'ny renivintana Alahamady ny zanabintana Adaoro. Mitondra tonon'andro roa ny Adaoro, dia ny vava Adaoro sy ny vody Adaoro. Inoana ho andron'afo na andro mandoro ny Adaoro.
 
==== Vava Adaoro ====
Ny olona teraka vava Adaoro dia atahorana amin'ny afo ka tsy maintsy alam-bintana amin'ny alalan'ny fitondran-dreniny azy mandositra avy anaty trano tomboka kely nodorana.
 
==== Vody Adaoro ====
Mitondra tonon'andro roa ny Adaoro, dia ny vava Adaoro sy ny vody Adaoro. Inoana ho andron'afo na andro mandoro ny Adaoro.
Ny olona teraka vody Adaoro dia tsara vintana ka raha lahy dia hahay mikabary fa raha vavy kosa dia ho tsara fanahy.
 
=== Adizaoza ===
Vintana sy volana fahatelo ny [[Adizaoza]]. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اجوزاء / ''Al-Djuza'' ("kambana") ny hoe ''Adizaoza''. Zanabintana ny Adizaoza. Ny toerana omena azy dia ny tapany atsimo amin'ny rindrin-trano antsinanana. Eo amin' ny Adizaoza no fitoeran'ny sinibe ao an-trano. Ny [[Alakaosy]] no mifandratra amin' ny Adizaoza sady miarina eo amin'ny [[Adijady]]. Baben'ny renivintana Asorotany ny zanabintana Adizaoza. Mitondra tonon'andro roa ny Adizaoza, dia ny vava Adizaoza sy ny vody Adizaoza.
 
==== Ankapobeny ====
Mitondra tonon'andro roa ny Adizaoza, dia ny vava Adizaoza sy ny vody Adizaoza. Vintana mahery ny Adizaoza ka ny olona ateraka aminy dia "miozanozana" raha tsy alam-bintana. Izay olona mikasa hampaka-bady, na hanorin-trano, sns., nefa sendra mifandratra amin'ny vintany ireo andro tsara fanaovana izany, dia ny Adizaoza no tokony hofidiny, fa io tsy mihetsiketsika tahaka ny sinibe, ka hampateza ny zavatra kasaina hatao.
Izay olona mikasa hampaka-bady, na hanorin-trano, sns., nefa sendra mifandratra amin'ny vintany ireo andro tsara fanaovana izany, dia ny Adizaoza no tokony hofidiny, fa io tsy mihetsiketsika tahaka ny sinibe, ka hampateza ny zavatra kasaina hatao. Amin'ny ankapobeny dia vintana mahery ny Adizaoza
 
==== Vava Adizaoza ====
Tonon'andro mahery ny vava Adizaoza ka ny olona teraka aminy dia miozanozana sy sahozanina raha tsy alam-bintana, ka ho lasa mahantra rehefa lehibe.
 
==== Vosy Adizaoza ====
Ny vody Adizaoza dia malefaka kokoa ka ny vehivavy teraka amin'izany dia ho maro anaka nefa malahelon-karena, fa ny lehilahy kosa tsy hambinina amin'ny fihariana.
 
=== Asorotany ===
Vintana sy volana fahefatra ny [[Asorotany]]. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe <big><small>ا</small></big><small>سرطان</small> / ''As-Saratan'' na ''As-Sartan'' ("foza") ny hoe ''Asorotany.'' [[Renivintana]] ny Asorotany. Ny zoron-trano atsimo-atsinana no toerana omena azy. Mibaby ny [[Adizaoza]] sy mitrotro ny [[Alahasaty]] ny Asorotany. Mifandratra amin'ny [[Adijady]] nefa mitanila sy miarina eo amin'ny [[Alakaosy]] sy [[Adalo]] izy. Mitondra tonon'andro telo ny Asorotany, dia vava Asorotany sy ny vonto Asorotany ary ny vody Asorotany. Andro mahery ny Asorotany.
 
==== Vava Asorotany ====
Mitondra tonon'andro telo ny Asorotany, dia vava Asorotany sy ny vonto Asorotany ary ny vody Asorotany. Andro mahery ny Asorotany.
Atahorana no maty kely ny zaza teraka amin'ny vava Asorotany, fa raha tsy izany dia ho tratra antitra ihany izy, nefa amin'izany tsy tezain'ny ray aman-dreniny izy fa omena ho tezain'ny havana.
 
==== Vonto Asorotany ====
Ny olona teraka vonto Asorotany dia ho tratra antitra.
 
==== Vody Asorotany. ====
Ny olona teraka vody Asorotany dia atahorana ho maty kely, ka raha tsy maty izy dia hanan-karena sy holava abdro iainana.
 
=== Alahasaty ===
Ny [[Alahasaty]] no vintana sy volana malagasy fahadimy. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اأسد / ''Al-Asad'' ("liona") ny hoe ''Alahasaty.'' Zanabintana ny Alahasaty. Ny tapany atsinanana amin'ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy. Mifandratra amin'ny Adalo sy miarina eo amin' ny Adijady ny vintana Alahasaty. Trotroin'ny renivintana Asorotany ny zanabintana Alahasaty. Mitondra tonon'andro roa ny Adizaoza, dia ny vava Adizaoza sy ny vody Adizaoza.
 
==== Ankapobeny ====
Mitondra tonon'andro roa ny Adizaoza, dia ny vava Adizaoza sy ny vody Adizaoza. Lazaina ho vinta-mpamosavy sy andron'ody ny Alahasaty.
Lazaina ho vinta-mpamosavy sy andron'ody ny Alahasaty.
 
==== Vava Alahasaty ====
Ny olona teraka vava Alahasaty dia mety ho mpamosavy na ho mpitana ody mahery raha teraka misasaka alina. Tononandro tsara anadratana ody sy sampy ny vava Alahasaty ka tsy tsara anaovana zavatra hafa.
 
==== Vody Alahasaty ====
Ny olona terana vody Alahasaty dia ho tratra antitra. Tononandro tsara ho fisantarana zavatra sy fampakaram-bady ny vody Alahasaty.
 
=== Asombola ===
Vintana sy volana fahenina ny [[Asombola]]. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe السنبلة / ''As-Sumbul'' ("virjina") ny hoe ''Asombola.'' [[Zanabintana]] ny Asombola. Ny tapany andrefana amin'ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy. Mifandratra amin'ny [[Alohotsy]] sy miarina eo amin' ny [[Alahamady]] ny vintana Asombola. Baben'ny renivintana Adimizana ny zanabintana Asombola. Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro roa ny Asombola, dia ny vava Asombola sy sy ny vody Asombola.
 
==== Ankapobeny ====
Vintam-bola sy vintan'ny olona tia harena ny Asombola.
 
==== Vava Asombola ====
Ny zazalahy teraka vava Asombola dia ho mpivarotra ary hahazo volabe. Ny zazavavy kosa ho mpanao taozavatra sy ho mpila harena.
 
==== Vody Asombola ====
Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro roa ny Asombola, dia ny vava Asombolasy sy ny vody Asombola. Vintam-bola sy vintan'ny olona tia harena ny Asombola.
Ny zaza teraka vody Asombola dia ho mpila vola sy hanan-karena.
 
=== Adimizana ===
Ny [[Adimizana]] no vintana sy volana fahafito. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اميزان / ''Al-Mizan'' ("mizana") ny hoe ''Adimizana.'' [[Renivintana]] ny Adimizana. Ny zoron-trano atsimo-andrefana no toerana omena azy. Ny Adimizana dia mifandratra amin'ny Alahamady sady mitanila sy miarina eo amin'ny Alohotsy sy ny Adaoro. Mitrotro ny [[Alakarabo]] sy mibaby ny [[Asombola]] ny Adimizana. Mifandratra amin'ny [[Alahamady]] sady mitanila sy miarina eo amin'ny [[Alohotsy]] sy ny [[Adaoro]] ny Adimizana. Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro telo ny Adimizana, dia ''vava Adimizana'' sy ny ''vonto Adimizana'' ary ny ''vody Adimizana''.
 
==== Ankapobeny ====
Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro telo ny Adimizana, dia ''vava Adimizana'' sy ny ''vonto Adimizana'' ary ny ''vody Adimizana''. Vintana mahery ny Adimizana nefa mety ho tsara na hahafaty mbola kely an'izay ateraka aminy. Mitrotro ny Alakarabo sy mibaby ny Asombola ny Adimizana.
Vintana mahery ny Adimizana nefa mety ho tsara na hahafaty mbola kely.
 
==== Vava Adimizana ====
Ny zazalahy teraka vava Adimizana dia ho mpivarotra sy mpandranto. Ny zazavavy kosa dia atahorana ho maty kely na nefa mety ho tratra antitra sy hanan-karena.
 
==== Vonto Adimpizana ====
Tononandro tsara ny vonto Alahamady ka ny zaza teraka eo dia ho mpanan-karena sy tsy maty vonoina.
 
==== Vody Adimizana ====
Ny vodiy Adimizana dia tononandro tsara ka ny zaza teraka eo dia ho tratra antitra raha tsy maty kely.
 
=== Alakarabo ===
Ny [[Alakarabo]] no vintana sy volana fahavalo. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اعقرب / ''Al-Akrab'' ("maingoka") ny hoe ''Alakarabo.'' Zanabintana ny Alakarabo. Ny tapany atsimo amin'ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy. Miarina eo amin'ny Alahamady sady mifandratra amin'ny Adaoro ny vintana Alakarabo. Ny renivintana Adimizana no mitrotro azy. Mitondra tonon'andro roa ny Alakarabo, dia ny vava Alakarabo sy ny vody Asombola.
 
==== Ankapobeny ====
Mitondra tonon'andro roa ny Alakarabo, dia ny vava Alakarabo sy ny vody Asombola. Vintana tsara ny Alakarabo satria androm-bokatra. Voalaza fa teraka tamin'ny vava Alakarabo ny mpanjaka [[Ranavalona II]].
Vintana tsara ny Alakarabo satria androm-bokatra.
 
==== Vava Alakarabo ====
Tokony misoronana akondro vokatra ny olona amin'ny vava Alakarabo amin'ny maha vintam-bokatra azy. Ny zazavavy teraka vava Alakarabo dia ho maro anaka fa ny zazalahy kosa ho tratra antitra. Voalaza fa teraka tamin'ny vava Alakarabo ny mpanjaka [[Ranavalona II]].
 
==== Vody Alakarabo ====
Ny zazavavy teraka vaody Alakarabo dia ho maro anaka ihany koa ary ny zazalahy ho tratra antitra.
 
=== Alakaosy ===
Ny [[Alakaosy]] dia vintana sy volana fahasivy ao amin'ny fanandroana sy tetiandro malagasy. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اقوس / ''Al-Kaus'' ("mpitifitra tsipika") ny hoe ''Alakaosy.'' Zanabintana ny Alakaosy. Ny tapany avaratra amin'ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy. Mifandratra amin'ny Adizaoza Alakaosy sady miarina sy miandriana eo amin'ny Asorotany ny Alakaosy. Baben'ny renivintana Adijady ny Alakaosy. Mitondra tonon'andro roa ny Alakaosy, dia ny vava Alakaosy sy ny vody Alakaosy.
 
==== Ankapobeny ====
Mitondra tonon'andro roa ny Alakaosy, dia ny vava Alakaosy sy ny vody Alakaosy. Atao hoe ''Alakaosibe'' ny vava Alakaosy ao amin'ny volana Alakaosy. Vintana mahery indrindra ny Alakaosy. Raha tsy alam-bintana ny zaza teraka aminy dia ahohoka ho faty fa atahorana hahafaty izay lehibe noho izy.
Vintana mahery indrindra ny Alakaosy. Raha tsy alam-bintana ny zaza teraka aminy dia ahohoka ho faty fa atahorana hahafaty izay lehibe noho izy.
 
==== Vava Alakaosy ====
Atao hoe ''Alakaosibe'' ny vava Alakaosy ao amin'ny volana Alakaosy. Amin'ny vava Alakaosy no andro fanandratana ody sy sampy. Manao sorona ny mpitahiry ody mahery sy sampy. Ny vehivavy mbola tokony hiteraka koa dia tsy mihinan-kanina amin'ny vava Alakaosy mba tsy hiteraka Alakaosy. Ny zaza teraka vava Alakaosy dia hanoto ray aman-dreny, ka ahohoka ho faty na alam-bintana mba ho tratra antitra sy ho lehibe ary ho mpanan-karena.
 
==== Vody Alakaosy ====
Tsy mifankaiza firy amin'ny vava Alakaosy ny vody Alakaosy.
 
=== Adijady ===
Vintana sy volana fahafolo ny [[Adijady]]. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اجدي / ''Al-Djadi'' ("osilahy") ny hoe ''Adijady.'' [[Renivintana]] ny Adijady. Ny zoron-trano avaratra-andrefana no toerana omena azy. Mitrotro ny Adalo sy mibaby ny Alakaosy ny Adijady. Mifandratra amin'ny Asorotany sad mitanila sy miarina eo amin'ny Alahasaty sy ny Adizaoza ny Adijady. Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro telo ny Adijady, dia vava Adijady sy ny vonto Adijady ary ny vody Adijady.
 
==== Ankapobeny ====
Amin'ny ankapobeny dia Vintana mafy ny Adijady ka tsara anorenana zavatra tiana hateza satria "mijadina mafy". Ny zavatra tian-ko mafy sy mateza no santarina amin'io andro io, toy ny fampidiram-pananana sy biby hopiana ary vola hotehirizina. Tonom-bintana fanorenan-trano sy fampakaram-bady koa ny Adijady. Ny Adijady koa no heverina ho andro tsara hampakaram-bady.
 
==== Vava Adijady ====
Ny zaza teraka vava Adijady dia ho vitsy teny, noho izany dia tokony alam-bintana fandrao mijadina loatra ka tsy miteny.
 
==== Vonto Adijady ====
Heverina ho tsara vintana ny zaza teraka amin'ny vonto Adijady.
 
==== Vody Adijady ====
Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro telo ny Adijady, dia vava Adijady sy ny vonto Adijady ary ny vody Adijady. Vintana mafy ny Adijady ka tsara anorenana zavatra tiana hateza satria "mijadina mafy".
Heverina ho tsara vintana ihany koa ny zaza teraka amin'ny vody Adijady.
 
=== Adalo ===
Vintana sy volana faharaika ambin'ny folo ny [[Adalo]]. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe ادلو / ''Al-Dalu'' ("mpandraraka rano") ny hoe ''Adalo.'' [[Zanabintana]] ny Adalo. Ny tapany andrefana amin'ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy. Mifandratra amin'ny [[Alahasaty]] sy miarina eo amin'ny [[Asorotany|Asorontany]] ny vintana Adalolo. Trotroin'ny renivintana Adijady ny zanabintana Adalo. Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro roa ny Adalo, dia ny vava Adalo sy ny vody Adalo.
 
==== Ankapobeny ====
Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro roa ny Adalo, dia ny vava Adalo sy ny vody Adalo. Vintan-dranomaso sy alahelo ny Adalo.
Vintan-dranomaso sy alahelo ny Adalo.
 
==== Vava Adalo ====
Atahorana ho maty kely ny zaza teraka vava Adalo.
 
==== Vody Adalo ====
Ny zaza teraka vody Adalo dia tsara vintana ihany ka ho tratra antitra na dia manan-toetra malahelohelo aza.
 
=== Alohotsy ===
Vintana sy volana faharoa ambin'ny folo ny [[Alohotsy]]. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe الحوت / ''Al-Hut'' ("trondro") ny hoe ''Alohotsy.'' Zanabintana ny Alohotsy. Ny tapany antsinana amin'ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy. Mifandratra amin'ny [[Asombola]] sy miarina eo amin'ny [[Adimizana]] ny vintana Alohotsy. Baben'ny renivintana Alahamady ny zanabintana Alohotsy. Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro roa ny Alohotsy, dia ny vava Alohotsy sy ny vody Alohotsy.
 
==== Ankapobeny ====
Atao hoe volam-padina ny volana Alohotsy noho izy iomanana amin'ny Asaramanitra (ny Alahamadibe). Tandremana mafy mba tsy haràtra amin'ny hety na antsy ny zazamadinika fa tsy ho mety sitrana ka noho izay tsy alana volo na hoho na ampiasana zava-maranitra. Ny olona maty ao amin'ny volana Alohotsy dia alevina mangingina.
 
Vintan'olona tsy mahatombin-toerana ny Alohotsy. Andro maivana ny andro Alohotsy. Amin' ny vava Alohotsy sy ny vody Alohotsy dia tsy misy manao taozavatra. Raha hanorin-trano sy hampaka-bady amin'ny andro Alohotsy dia tsy maintsy misorona vatokaranana sy hazo harahara na famaho alevina eo atsinanan'ny andry avaratra tandrify ny Alohotsy mba tsy hihetsiketsika.
 
==== Vava Alohotsy ====
Ny zaza teraka vava Alohotsy dia tsy ho marim-ponenana fa mifindrafindra na toerana na zavatra hafa.
 
==== Vody Alohotsy ====
Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro roa ny Alohotsy, dia ny vava Alohotsy sy ny vody Alohotsy. Vintan'olona tsy mahatombin-toerana ny Alohotsy.
Ny zaza teraka vody Alohotsy dia ho salama ihany.
 
== Ny vintana malagasy sy ny zodiaka ==