Zanabintana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
'''Zanabintana''' no iantsoana ireo vintana valo amin'ny [[fanandroana malagasy]] izay ampifanandrifina amin'ny lafin-trano avaratra ([[Adalo]] sy [[Alohotsy]]) sy atsinanana ([[Adaoro]] sy [[Adizaoza]]) sy atsimo ([[Alahasaty]] sy [[Asombola]]) ary andrefana ([[Alakarabo]] sy [[Alakaosy]]), ka ny vintana hafa rehetra izay mifandray amin'ny zoron-trano avaratra atsinana sy atsimo atsinanana sy atsimo andrefana ary avaratra andefana dia [[renivintana]] (na renim-bintana). Ny renivintana iray dia manana zanabintana roa ka ny iray babeny ary ny iray trotroiny. Misy zanabintana mifadratra aminy ny zanabintana tsirairay ka raha zanabintana babena izy dia mifandratra amin'ny zanabintana trotroin-drenivintana. Miarina eo amin'ny renivintana mibaby na mitrotro an'io zanabintana mifandratra aminy koa ny zanabintana tsirairay..
 
== Ny mombamomba ireo zanabintana ==
 
=== Adalo ===
Vintana sy volana faharaika ambin'ny folo ny [[Adalo]]. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe ادلو / ''Al-Dalu'' ("mpandraraka rano") ny hoe ''Adalo.'' Ny tapany andrefana amin'ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy. Araka ny finoana dia vintan-dranomaso sy alahelo ny Adalo. Mifandratra amin'ny [[Alahasaty]] sy miarina eo amin'ny [[Asorotany|Asorontany]] ny vintana Adalolo.
 
=== Alohotsy ===
Vintana sy volana faharoa ambin'ny folo ny [[Alohotsy]]. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe الحوت / ''Al-Hut'' ("trondro") ny hoe ''Alohotsy.'' Ny tapany antsinana amin'ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy. Araka ny finoana dia vintan'olona tsy mahatombin-toerana ny Alohotsy. Mifandratra amin'ny [[Asombola]] sy miarina eo amin'ny [[Adimizana]] ny vintana Alohotsy.
 
=== Adaoro ===
Ny Adaoro no vintana sy volana faharoa. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اثور / ''Ath-Thur'' na ''Ath-Thaur''("ombilahy") ny hoe ''Adaoro''. Ny tapany avaratra amin'ny rindrin-trano atsinanana no toerana omena azy. Inoana ho andron'afo na andro mandoro ny Adaoro. Mifandratra amin'ny [[Alakarabo]] sady mihataka sy miarina eo amin'ny [[Adimizana]] ny Adaoro.
 
=== Adizaoza ===
Vintana sy volana fahatelo ny Adizaoza. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اجوزاء / ''Al-Djuza'' ("kambana") ny hoe ''Adizaoza''. Ny toerana omena azy dia ny tapany atsimo amin'ny rindrin-trano antsinanana. Vintana mahery ny Adizaoza ka ny olona ateraka aminy dia "miozanozana" raha tsy alam-bintana. Ny [[Alakaosy]] no mifandratra amin' ny Adizaoza sady miarina eo amin'ny [[Adijady]]. Eo amin' ny Adizaoza no fitoeran'ny sinibe ao an-trano. Izay olona mikasa hampaka-bady, na hanorin-trano, sns., nefa sendra mifandratra amin'ny vintany ireo andro tsara fanaovana izany, dia ny Adizaoza no tokony hofidiny, fa io tsy mihetsiketsika tahaka ny sinibe, ka hampateza ny zavatra kasaina hatao.
 
=== Alahasaty ===
Ny Alahasaty no vintana sy volana malagasy fahadimy. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اأسد / ''Al-Asad'' ("liona") ny hoe ''Alahasaty.'' Ny tapany atsinanana amin'ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy. Lazaina ho vinta-mpamosavy sy andron'ody ny Alahasaty. Mifandratra amin'ny [[Adalo]] sy miarina eo amin' ny [[Adijady]] ny vintana Alahasaty.
 
=== Asombola ===
Vintana sy volana fahenina ny Asombola. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe السنبلة / ''As-Sumbul'' ("virjina") ny hoe ''Asombola.'' Ny tapany andrefana amin'ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy. "Vintam-bola" sy vintan'ny olona tia harena ny Asombola. Mifandratra amin'ny [[Alohotsy]] sy miarina eo amin' ny [[Alahamady]] ny vintana Asombola.
 
=== Alakarabo ===
Ny Alakarabo no vintana sy volana fahavalo. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اعقرب / ''Al-Akrab'' ("maingoka") ny hoe ''Alakarabo.'' Ny tapany atsimo amin'ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy. Vintana tsara ny Alakarabo satria andron'ny fahavokarana. Voalaza fa teraka tamin'ny vava Alakarabo ny mpanjaka [[Ranavalona II]]. Miarina eo amin'ny [[Alahamady]] sady mifandratra amin'ny [[Adaoro]] ny vintana Alakarabo.
 
=== Alakaosy ===
Ny Alakaosy dia vintana sy volana fahasivy ao amin'ny fanandroana sy tetiandro malagasy. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe اقوس / ''Al-Kaus'' ("mpitifitra tsipika") ny hoe ''Alakaosy.'' Ny tapany avaratra amin'ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy. Vintana mahery indrindra ny Alakaosy. Raha tsy alam-bintana ny zaza teraka aminy dia ahohoka ho faty fa atahorana hahafaty izay lehibe noho izy. Mifandratra amin'ny [[Adizaoza]] ny Alakaosy sady miarina sy miandriana eo amin'ny [[Asorotany ny Alakaosy]].
 
== Jereo koa ==