Zanabintana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
'''Zanabintana''' no iantsoana ireo vintana valo amin'ny [[fanandroana malagasy]] izay ampifanandrifina amin'ny lafin-trano avaratra ([[Adalo]] sy [[Alohotsy]]) sy atsinanana ([[Adaoro]] sy [[Adizaoza]]) sy atsimo ([[Alahasaty]] sy [[Asombola]]) ary andrefana ([[Alakarabo]] sy [[Alakaosy]]), ka ny vintana hafa rehetra izay mifandray amin'ny zoron-trano avaratra atsinana sy atsimo atsinanana sy atsimo andrefana ary avaratra andefana dia [[renivintana]] (na renim-bintana).
 
== Ny mombamomba ireo zanabintana ==
 
=== Adalo ===
Vintana sy volana faharaika ambin'ny folo ny [[Adalo]]. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe ادلو / ''Al-Dalu'' ("mpandraraka rano") ny hoe ''Adalo.'' Ny tapany andrefana amin'ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy. VintanAraka ny finoana dia vintan-dranomaso sy alahelo ny Adalo.
 
=== Alohotsy ===
Vintana sy volana faharoa ambin'ny folo ny [[Alohotsy]]. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe الحوت / ''Al-Hut'' ("trondro") ny hoe ''Alohotsy.'' Ny tapany antsinana amin'ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy. VintanAraka ny finoana dia vintan'olona tsy mahatombin-toerana ny Alohotsy. Mifandratra amin'ny Asombola sy miarina eo amin'ny Adimizana ny vintana Alohotsy.
 
=== Adaoro ===