Fiteny foinikiana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fiteny
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Phoenician Language.png|vignette|362x362px|Fielezan'ny fiteny foinikiana]]
Ny '''fiteny fenisiana''' na '''fiteny foinikiana''' na '''fiteny foenikiana''' dia fiteny avy ao amin'ny morontsirak'i Libàna, ao amin'ny faritra atao hoe "tanin'i Kanaana" na "tany Kanana" (araka ny fiantsoan'ny Fenisiana sy ny [[Arabo (olona)|Arabo]] sy ny [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] ary ny [[Arameana]]), na [[Fenisia]] na Foinikia na Foenikia (araka ny fiantsoan'ny [[Grika]] sy ny [[Romana (vahoaka)|Romana]]), na ''Pūt'' amin'ny fiteny egiptiana taloha. Ny fiteny fenisiana dia [[fiteny semitika]] ao amin'ny zana-bondron'ny fiteny kananeana, dia vondrona ipoiran'ny [[fiteny hebreo]]. Ny fiteny fenisiana dia notenenina tao [[Libana|Libàna]], tamin'ny morontsirak'i Siria, tao [[Palestina]], tao amin'ny tapany avaratr'i [[Isiraely|Israely]] ankehitriny, ary tao amin'ny ampahan'ny nosy [[Kiprosy]] (ka nifanakaiky amin'ny fiteny grika izy tao). Niteny fenisiana koa ny faritra sasany tany [[Anatolia]] (Azia Minora) noho izy fiteny manan-kaja. Niteny fenisiana koa ny faritra voakasiky ny fanjanahan-tany fenisiana: ny morontsiraka atsimo-andrefan'i [[Mediteranea]], ary indrindra ny tao [[Tonizia]] ankehitriny, ny tao [[Marôka]], ny tao [[Malta]], ny faritra andrefan'i Sisilia, ny ao Sardinia, ny tao Korsa, ny tao amin'ny Andrin'i Heraklesy.