Abidy foinikiana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''abidy foinikiana''' na '''abidy foenikiana''' na '''abidy fenisiana''', izay antsoina hoe '''abidy protokananeana''' koa, dia [[abidy]] tsy ahitana [[zanatsoratra]] fa [[abjady]]. Nampiasaina tamin'ny fanoratana ireo [[fiteny kananeanatao amin'ny faritr'i [[Kanaana]], indrindra ny [[fiteny foinikiana]] (na fenisiana) izay [[fiteny semitika]] nampiasana tamin'ny kolontsaina [[fenisiana]]. Na dia tsy ahitana zanatsoratra aza io abidy io dia misy ihany litera nanoratana [[zanapeo]] taty aoriana, izany fomba izany no atao amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''mater lectionis.''
 
Ny abidy fenisiana dia lasa rafi-panoratana nampiasaina indrindra ka nampitain'ny mpanao raharaham-barotra fenisiana tamin'ny tontolo manodidina ny [[Ranomasina Mediteranea]] izay nivoarany sady noraisin'ny vahoaka samy manana ny kolontsainy. Ny [[abidy arameana]], izay endrika misy fiovan'ny abidy fenisiana no nipoiran'ny [[abidy arabo]] ankehitriny, fa ny [[abidy hebreo]] kosa dia karazan'ny abidy arameana. Ny [[abidy grika]] (sy ireo abidy hafa nipoitra taminy toy ny [[abidy latina]] sy ny [[abidy sirilika]] ary ny [[abidy kopta]]) dia mpandimby mivantana ny abidy fenisiana, na dia novana aza ny fomba fanononana ny litera sasany mba hanoratana ny zanapeo ka lasa zanatsoratra.