Fanandroana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-3:
 
== Ny nipoiran'ny fanandroana sy ny fivoarany ==
Ny fanandroana dia fanao efa nisy elabe hatramin'ny fahagola izay nivoatra tao amin'ny kolontsain'ny firenena maro samihafa tsy mifampiankina. Ny [[Kaldea|Kaldeana]] tao [[Babilona]] dia efa nampiasa fanandroana tany amin'ny 3000 taona tal. J.K. fa ny [[Sinoa]] kosa tany amin'ny 2000 tal. J.K. Tany amin'ny taona 500 tal. J.K. dia niely tany tanynielytany [[Grisia]] (na Gresy) ny fanandroana. Miresaka ny amin'izany ny filozofa toa an-dry [[Pitagora]]. Be mpanao tao [[Eoropa]] ny fanandroana nandritra ny [[Andro Antenantenany]], na dia nenjehin'ny [[Kristianisma|Fiangonana kristiana]] aza izany.
 
== Zavatra ampiasaina amin'ny fanandroana ==
Andalana faha-15:
==== Ny kintana sy ny antokon-kintana ====
[[Sary:OphiuchusCC.jpg|vignette|196x196px]]
Ny [[antokon-kintana]] "andalovan'ny Masoandro" miisa telo ambin'ny folo na, raha ny tena marina, ny anaran'izy ireo, dia ampiasaina indrindra amin'ny fanandroana. Ireto ny anaran'ireo antokon-kintana ireo amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]] ao amin'ny fanandroana tandrefana: ''[[Aries]]'' ("ondrilahy"), ''[[Taurus]]'' ("ombilahy"), ''[[Gemini]]'' ("kambana"), ''[[Cancer]]'' ("foza"), ''[[Leo]]'' ("liona"), ''[[Virgo]]'' ("virijina"), ''[[Libra]]'' ("mizana"), ''[[Scorpius]]'' ("maingoka"), ''[[Ophiuchus]]'' (na ''Serpentarius'' "mpitondra bibilava"), ''[[Sagittarius]]'' ("mpitondra tsipika"), ''[[Capricornus]]'' ("osy-trondro"), ''[[Aquarius]]'' ("mpitondra rano") ary ''[[Pisces]]'' ("trondro").
 
==== Zavatra hafa ====
Andalana faha-39:
Ny torovintana misy antsipiriany dia ahitana fizarana roa ambin'ny folo atao hoe "trano", izay maneho ny fe-potoana 24 ora mitovy amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny tenany. Mifandray amin'ny sehatra sasany momba ny fiainan'ny olona voatondro (fanambadiana, fahasalamana, asa, sns.) ny "trano" tsirairay. Ny mpanandro dia mandrafitra ny famantarany ny hoavy arakaraka ny toerana misy ireo zavatra eny amin'ny lanitra ao amin'ireo eva sy trano ao amin'ny torovintana ireo.
 
Ao amin'ny [[Gazety|gezety]] sy gazetiboky sasany dia ahitana torovintana izay tsy tena vokatry ny asan'ny mpanandro matihanina fa natao hahasarika ny mpamaky fotsiny liana amin'izany, na mora mino fa afaka hatsarain'izany ny fahasalamany sy ny fiharian-kareny sns. ka atao mba hahalafo an'ilay gezety na gazetiboky fotsiny.
 
== Jereo koa: ==