Empira Ôtômàna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Ottoman Empire 16-17th century-fr.svg|vignette|354x354px|Fara-fiitaran'ny Empira otomàna tamin'ny taonjato faha-16 sy faha-17.]]
Ny '''Fanjakana otomàna''' na '''Empira otomàna''' dia fanjakana na empira natsangan'ny fianakavia-mpanjakan'ny Torka ogozy, izay naharitra hatramin'ny fotoana aloha kelin'ny fipoahan'ny [[Ady Lehibe Voalohany]]. Teo anelanelan'ny taonjato faha-14 sy ny taona 1923 no nisian'izany fanjakana izany. Noravàn'ny Otomàna ny [[Seljokida|fanjakana seljokidanseljokida]]<nowiki/>n'i [[Anatolia]] sy ny [[Empira Bizantina|Empira bizantina]] mba hananganany ny Empira osmanly (na otomàna). Lasa empira ny soltanà otomana taorian'ny fanafihan'ny Otomàna an'i Konstantinopla tamin'ny 1453.
 
Nanambatra ny herin'ny kalifata arabo sy ny tanjaky ny Bizantina io fanjakana io, ka lasa nampitohy kontinenta telo rehefa tafapaka tamin'ny fara tampon'ny tanjany. Niitatra hatrany [[Eoropa]] hatrany amin'ny sisin-tany manelanelana an'i [[Aotrisy]] amin'i [[Hongaria|Hongria]] sy any [[Azia]] hatrany [[Persia]], ka hatrany amin'ny morontsiraka adrefana sy atsinanan'ny [[Ranomasina Mena]] ary any amin'ny morontsiraky ny [[Ranomasina Mediteranea]] ao avaratr'i [[Afrika]].