Fiteny armeniana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fiteny
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''fiteny armeniana''' dia [[fiteny indo-eoropeana]] tsy mikambana amin-tsampana fa fiteny manirery. Ankehitriny dia misy ny fiteny armeniana atsinanana izay fiteny ofisialin'ny [[Repoblikan'i Armenia]] izay tenenin'ny mponina ao Armenia sy vahoaka armeniana any [[Iràna]] sy any [[Rosia]], ary ao koa ny fiteny armeniana andrefana izay tenenin'ny Armeniana am-pielezana. Miisa 2 960 000 ny mpiteny armeniana ao Armenia tamin'ny taona 2013, fa mahatratra 3 843 000 izany maneran-tany.
 
Misy fifanahafany amin'ny [[fiteny grika taloha]] ny fiteny armeniana. Manakaiky ny [[fiteny jermanika]] kosa izy raha ny fiovan'ny fivoaran'ny feon-teniny sy ny rafi-peony no heverina. Manana ny abidiny manokana, izay noforonina tamin'ny taonjato faha-5, ny fiteny armeniana. Amin'ny fiteny armeniana dia atao hoe ''հայերեն'' / ''hayeren'' io fiteny io''.''