Akemenida: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''empira akemenida''' na '''fanjakana akemenida''' dia fanjakan-dehibe nanapaka tany [[Persia]] tamin'ny taona 550 hatramin'ny 330 tal. J.K. Ny Akemenida dia atao hoe ''Haxāmanišiya'' amin'ny [[Fiteny persana taloha|teny persiana taloha]].
 
Araka ny angano akemenida dia i ''Haxāmaniš'' izay antsoin'ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ''Ἀχαιμένης / Akhaimenês'', izay mety niaina tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-7 tal. J.K., no razamben'ny Akemenida, hoy ny soratra persiana akemenida. Izy no voalaza ho mpankakampanjaka voaolohanyvoalohany nanapaka ny an'i Ansana ([[Fiteny someriana|someriana]]: ''Anzan''), izay faritany notapahin'ny [[Mediana]] (na Meda).
 
Ny ankamaroan'ny mpikaroka tantara ankehitriny anefa miaiky fa ny tena mpanorina ny empira akemenida dia i [[Kirosy Lehibe]], izay nanapaka ny fanjakana persiana nanomboka tamin'ny taona 550 tal. J.K. Rehefa tonga tamin'ny fara tampony ny herin'ny empira akemenida tamin'ny andron'i [[Dariosa I]] (na Dariosy I) tamin'ny taona 521 hatramin'ny 486 tal. J.K. dia nanitatra ny faritra nanjakany ny Akemenida ka nivelatra hatrany amin'ny renirano Indosy, hatrany Libia, hatrany Traka (na Trake), hatrany amin'ny [[Ranomasina Mainty]], hatrany amin'ny [[Ranomasina Kaspiana]] ary hatrany amin'ny [[Ranomasin'i Araly]] any amin'ny [[Helodrano persika|Helodrano Persika]] izany.
 
Ny fianakaviana akemenida dia nanana fandraharaham-panjakana niavaka, izay niorina tamin'ny fiitsinjaranafitsinjarana ny faritra manontolo anjakany ho faritany roapolo izay samy nofehezin'ny governora avy, sady nofehezina araka ny fehezan-dalàna, nanana vola nampiasaina manerana ny tanin'ny fankana. Nanaraka ny fivavahan'i [[Zaratostra]] ny Akemenida nefa namela ny fivavanana hiara-hiaraka hisy amin'ny [[zoroastrisma]]. Nandroso fatratra ny zavakanto sy ny fanaovana mari-trano tamin'ny andron'ny Akemenida araka ny mbola hita amin'ireo sisam-paharavana maro ao amin'ny toerana nisy ny renivohiny tao hoe Persepolisy.
 
Ny fanjakan'ny akemenida dia nifarana tamin'ny nahafatesan'i [[Dariosa III]] tamin'ny taona 330 tal. J.K., izay novonoin'i Besosy governorany sy i Nabarzanesy jeneraliny taorian'ny fahareseny tao Gaogamelesy raha niady tamin'ny tafik'i [[Aleksandra Lehibe]] tamin'ny taona 331 tal. J.K.