Fedrà: Fahasamihafan'ny versiona
Contenu supprimé Contenu ajouté
k Sora-matevina Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday |
Aucun résumé des modifications |
||
Andalana faha-1:
Ny [[fedrà|'''fedrà''']] dia tantara na hevitra foronin'ny saina ho enti-manazava ny zava-mitranga eto amin'izao tontolo izao na eo amin'ny fiarahamonina ary indrindra natao hanorenana ny fanao eo amin'ny fiarahamonina araka ny anjara toeran'ny soatoavina fototra ao amin'ny fiarahamonina mitady ny fiombonana
Hoy Razafintsalama raha miresaka ny amin' ny fedrà: "''ny fedrà dia tsy mikendry ny hitantara zava-nitranga tamin'ny toerana na vanim-potoana azo faritana'', fa ''maneho an'ohatra fa nisy hatrizay, mbola misy ary hisy hatrany ny fototra tsy azo hozongozonina iorenan'ny maha-olona ny olona, ny maha-lehilahy ny lehilahy ary ny maha-vehivavy ny vehivavy''; toraka izany ''ny fototra iorenan'ny rafi-piaraha-monina sy ny fomba vaventy iakinan'ny fifandraisana mirindra eo amin'ny mpiara-belona''. Izany hoe, karazana ''teolojia ntaolo ny fedrà''"
== Ny teny hoe ''fedrà'' sy ny mitovy hevitra aminy ==
Matetika dia mifandray amin'ny fivavahana ny fedrà ka mahatonga ny mpanoratra amin'ny teny malagasy sasany, indrindra ny teolojiana, hampiasa ny andian-teny hoe ''[[Fedrà|angano masina]]'' na ''[[Fedrà|anganom-pinoana]]'' na ''[[Fedrà|anganom-pivavahana]]'' na dia tsy voatery ho momba ny fivavahana na ny finoana ny fedrà fa mety hikasika ny fiarahamonina na ny fitondram-panjakana na zavatra hafa izay tsy ahitana fahamasinana.
Araka an'i Jacques Faublée, izay nanangona tantara tany amin'ny faritry ny Malagasy bara dia "tantaram-piandohana" no hevitry ny teny hoe ''fedrà''
1<small>Alain Cabantous, ''Mythologies urbaines: Les villes entre histoire et imaginaire'', Presses universitaires de Rennes, 2015, p. 11.</small>
2 <small>"Mythologie", ''Microsoft Encata 2009''</small>
3 <small>Razafintsalama, P. A., ''Taridalana ho enti-manadihady ny finoana sy ny fomba malagasy'', Edisiôna Md Paoly, Antananarivo, 1998, p.20.</small>
4 <small>Faublée, Jacques, ''Récits bara'', Institut d'Ethnologie, Musée de l'Homme, 1947, p. 14.</small>
<br />
== Jereo koa: ==
|