Davida (mpanjaka): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-23:
=== Ny fahazazany sy ny fahatanorany ===
Teraka tao [[Betlehema]] i Davida. Izy no faralahin'i [[Jese]] mpiompy ondry tao amin'ny [[fokon'i Jodà]]. Niandry ny andian'ondrin-drainy i Davida nandritra ny fahatanorany. Nibaiko ny mpaminany [[Samoela]] Andriamanitra mba handeha mangingina any amin'i Jese hisafidy izay handimby an'i [[Saoly]] mpanjakan'i Israely amin'ireo zanany sivy lahy. I Davida faralahy no nosafidin'i Samoela ka nohosorany menaka, araka ny [[Boky voalohan'i Samoela]] (1Sam. 16.1-13). Mpitendry zavamaneno mahay i Davida ka noraisin'i Saoly tao an-dapany mba hankafizany ny fanenenon'ny valihany.
[[Sary:Sweet stories of God; in the language of childhood and the beautiful delineations of sacred art (1899) (14751566596).jpg|vignette|242x242px258x258px|''Nobatain'i Davida ny lohan'i Goliata'', sary nataon'i Josephine Pollard, taona 1899.]]
 
=== Ny fandreseny an'i Goliata sy fanenjehan'i Saoly azy ===
Taty aoriana, nandritra ny fotoana nampifandimbiasany ny findrasana ondry sy ny nitendreny valiha tao an-dapa dia nitsidika ny tobin'ny miaramila israelita izy mba hanome hanina ireo rahalahiny. Tany no nahalalany fa misy lehilahy amin'ny fahavalon'ny Israelita, dia ilay mpiady mahery indrindra tamin'ny tafiky ny [[Filistina ao amin'ny Baiboly|Filistina]], atao hoe [[Goliata]] avy any Gata, izay nanao fihaikana ny Israelita hanao adin'olon-droa alohan'ny tena hiadian'ny tafika roa tonta. Nanolo-tena hamaly izany fihaikana izany amim-pahasahiana i Davida. Rehefa natao ny adin'i Davida sy i Golilata teo amin'ny lohasaha Elaha, dia voan'ny vato natorak'i Davida tamin'ny antsamotady i Goliata ka maty ka notapahin'i Davida ny loha (1Sam. 17.40-54). Raiki-tahotra ny Filistina ka nandositra. Tamin'izany no nahatonga an'i Davida ho mpinamana tamin'i [[Jonatana]] zanak'i Saoly.[[Sary:Rosselli Triunfo David.jpeg|vignette|183x183px195x195px|''I Davida mpandresy'', nataon'i Matteo Rosselli, 1620]]Niteraka fatahorana sy fialonan'i Saoly izany lazan'i Davida izany, satria nihevitra i Saoly fa tsy hahatanteraka ny fandovan'ny zanany lahy ny fanjakana izany. Nikendry ny hahafaty an'i Davida i Saoly ka nomeny azy ho vadiny ny zanany vavy atao hoe Mikala nefa tsy maintsy hiady amin'ny Filistina zato i Davida alohan'ny hanatanterahana ny fanambadiana (1Sam. 18.20-27). Resin'i Davida, izay lasa vinanton'i Saoly noho izany, ny Filistina, nefa nitohy ny fifofoan'i Saoly ny ain'i Davida. Nandositra tany an-tany efitra sahala amin'ny olon-dratsy i Davida ka nikambana tamin'ny jiolahy izay nanampy azy. Rehefa nitady azy i Saoly ka nahita azy sady saika hahafaty azy, dia nakany amin'ny Filistina fahavalony taloha, ka nanompo ny mpanjakan'ny Filistina tao Gata, atao hoe Akisy, i Davida.
 
=== Ny fiakaran'i Davida teo amin'ny fitondrana ===
Andalana faha-34:
 
=== Ny fahotan'i Davida sy ny vokatr'izany ===
[[Sary:081.King David MournsBathsheba the Death of AbsalomBathing.jpg|vignette|220x220px201x201px|''MisaonaNy ny fahafatesan'i Absamoma impanjaka Davida'', sarymitazana nataonan'i GustaveBatseba Doré, 1866.mandro'']]
Nanao fahadisona lehibe i Davida rehefa nahatratra ny tampon'ny voninahiny, dia ny nanaovany fijangajangana niampy vonoan'olona. Raiki-pitia tamin'i [[Batseba]] (na Betsabe), izay vadin'ny miaramilany atao hoe Oria izay lehilahy [[Hitita]] (na Heteana), mantsy ny mpanjaka Davida. Nitoe-jaza ilay vehivavy dia nalefan'i Davida tany an'ady eny alohan'ny miaramila rehetra i Oria ka maty (2Sam. 11.2-27). Mba ho setrin'ny fahotany dia maty ilay zaza vokatry ny fijangajangana tamin'i Batseba. Fanampin'izany koa dia nanakorontana ny filaminana tao an-dapa ny zanaka lahin'i Davida, ohatra amin'izany i Absaloma zanany izay tsy nikomy taminy nefa tsy nahomby ka niafara tamin'ny fahafatesana, sy i Adonia (na Adoniasa) izay nikononkonona fikomiana tao an-dapa mba haka ny fitondrana. Tsy nahomby i Adonia ka i [[Solomona]] (na Salômôna) zanaka lahin'i Davida faharoa tamin'i Batseba no nataon'i Davida mpandova ny fanjakany, araka ny [[Boky voalohan'ny Mpanjaka]] (1Mpanj. 1.11-40).[[Sary:081.David Mourns the Death of Absalom.jpg|vignette|246x246px|''Misaona ny fahafatesan'i Absaloma i Davida'', sary nataon'i Gustave Doré, 1866.]]
 
== Jereo koa ==
* [[Biôgrafia]]